Alahady 01 Marsa 2019. Niainga teo Andrenivohitra nizotra nianantsimo ny âCaravaneâ Rodobe ny ho anâny Fahasalamana sy ny Zonâny Vehivavy, izay iarahana aminâny Minisiteranâny Mponina sy ny eo anivonâny Fiadidianâny Filoham-pirenena misahana ny Asa sosialy. Hetsika izay niompana aminâny fizaham-pahasalamana ho anâireo vehivavy sy ny renim-pianakaviana ary ireo mitondra vohoka, ary tafiditra aminâny herinandro ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho anâny Vehivavy.
Andro iraisam-pirenena ho anâny Vehivavy izay mitondra ny lohahevitra : « Izaho sy ianao, isika rehetra miombonâandraikitra hisitrahanâny vehivavy ny zony » ka iresahana ny momba ny Zonâny Vehivavy sy ny Fahasalamana, mandritra ny herinandro (01 martsa ka hatraminâny 08 martsa 2020).
Nosafidiana manokana ny lohahevitra mba hifandray aminâny fanentanana sy ny fanabeazana ny tsirairay, satria manadanja ny fampiharana ny Zonâny Vehivavy ary hiankinanâny Fampandrosoana ny Firenena. Ny Zonâny Vehivavy, raha tsiahivina, dia tsy hafa akory fa mitovy ny Zonâny rehetra izay tokony hisitrahany, ka anisanâizany fananana Zo hianatra. Eran-tany anefa, ary indrindra indrindra eto Madagasikara, dia âmbola maro ny ezaka atao ho fanatratrarana izay fampiharana ny Zonâny Vehivavy izayâ, araka ny fanazavana ny hetsika nataon'ny Tale Jeneraly ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ramatoa Rova Rabetaliana (MPPSPF).
Ny kaominia Ambohimandroso, Distrika Antanifotsy, no nisantarana ny fizaham-pahasalamana sy ny fanentanana ny zonâny vehivavy.
Ambohimandroso izay ahitana mponina 60.000 ary saika ny vehivavy sy ny ankizy no maro araka ny fanazavana nomenâny Beninâny TanĂ na Ramatoa Razafindravao Volahanta. Mbola marefo ihany koa ny mponina raha ny lafinâny fahasalamana no resahina. Zava-dehibe izao hetsika karakarainâny minisiteranâny Mponina izao, satria tena ilaina eo aminâny mponina ny fampafantarana izay Zonâny Vehivay izay. Nisy rahateo ny fanentanana sy fihainoana ireo mponina niatrika ity lanonana ity.
Nojerena tsirairay ihany koa ny fahasalamananâireo mponina. Nisy rahateo ny âClinique mobileâ izay miara-dia taminâity Rodobe ho anâny Fahasalamana sy ny Zon'ny Vehivavy ity. Tao ireo nozahana momba ny tosi-drĂ ; ny fitsaboana eo aminâny lafiny ankapobeny niarahana taminâny DASP; ny fanazavana ny fahasalamana ara-pananahana; ny fisafoana ho anâireo vehivavy mitondra vohoka; ny fizahana ny homamiadana ao aminâny tranon-jaza, sns. Marihina fa nisy fanomezana fanafody maimaimpoana ho anâireo izay nozahana.
Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy