]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation PAOSITRA MALAGASY MIASA HO AN’NY MPIARA-BELONA

PAOSITRA MALAGASY MIASA HO AN’NY MPIARA-BELONA

Paositra Malagasy orin’asam-panjakana izay manao ezaka tokoa amin’izao ady amin’ny covid-19 izao, indrindra ho fanampiana ny mpiara-belona ary mikatsaka hatrany ny tombontsoa ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana. Mba hahatombona ny asa anefa dia tsy natao ambanin-javatra ny fijerena manokana ireo mpiara-miasa ao aminy, izay izy ireo no manao ny ainy tsy ho zavatra ho fanampiana ny Malagasy sy fanamorana ny andavan’androm-piainany.


Amin’izao fiatrehana ny aretina corona viriosy izao dia anisan’ireo orin’asa « réquisitionné » ny Paositra Malagasy ; manatanteraka ny andraikitra rehetra amin’ny fahaiza-manaony. Na ny fandefasana entana na ihany koa ny fandefasana vola, mitarika ny mpiara-mpiasa mpisehatra rehetra hifandray akaiky amin’ireo Malagasy maro sy ny mpanjifa erhetra izany ao anatin’izao fihatrehana ny Covid-19 izao.


Atafiditra amin’ny asa ataon’ny Paositra Malagasy ny fizarana ny tosika fameno amin’ireo faritra telo nahitana ny taha ny tsimokaretina covid-19 dia Toamasina, Fianarantsoa ary Antananarivo. Aretina anisan’ny mampihorohoro tokoa ny covid-19 izay mila fitandremana ny fisoroana azy. Miezaka hatrany mitandrina sy manaraka ny fepetra ireo mpiasa ny Paositra Malagasy eo am-panatanterahan’izy ireo ny asany izay ataony ampavitrihana ihany koa, izay marihana fa maro amin’izy ireo no miasa andro aman’alina.


Nomen’ny fanjakana fanampiana toy fanafody CVO ireo mpiasa rehetra izay nahatratra 2000, sy ny fianakaviany, mba ho fiarovana azy ireo, ny 22 Mey 2020 tao Antaninarenina. Fatra 14 tavoahangy mitsinjara tavohangy roa isan’olona nozaraina miampy « pack familial » roa ho an’ireo fianakaviana anjaran’ny mpiasa tsirairay.


Andriamatoa Ranarison Richard

«Tanjakin’ny orin’asa ny mpiasa ao aminy», hoy Tale jeneralin'ny Paositra Malagasy, Andriamatoa Ranarison Richard, «koa rariny loatra raha tohanana sy arovana satria sady miaro tena no miaro ny hafa». Ny lanonana dia notronin’ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy Mirindra, Andriamatoa Ramaherijaona Andriamanohisoa.

Soratra : Andry Rakotonirainy - Sary : Paositra Malagasy

Mis à jour ( Mardi, 02 Juin 2020 15:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30