Nahitana fihenana ny taha isanâireo Reny mpiteraka eo anivonâny toeram-pitsaboana Marie Stops, nandritra ny fisianâny aretina Covid-19. Raha toa ka nahatratra 80 mpiteraka isam-bolana dia nihena hatrany aminâny 50 izany. Nandritra ny fihiboana dia maro ireo orinasa no nijanona tsy niasa any ka nihena ihany koa ny vola miditra eo aminâny fianakaviana iray. Vokatrâizany dia nisy ireo vehivavy nitondra vohoka no niteraka eny aminâny toeram-pitsaboana akaiky azy. Ao koa anefa ireo nisafidy ny niteraka ao an-tranony. Antony dia mba mihena kokoa ny vola lany.
Araka ny fanazavana nomenâny mpampivelona RANDRIAMIARANTSOA Hasina Fanambinana, dia tena ilaina ny fanatonana toeram-pitsaboana, indrindra fa ireo mitondra vohoka. Mandritra ny fitondrana vohoka mantsy no tena ilaina ny fizaham-pahasalamana sy ny fisafoana. Ao anatinâizay no hahafantarana na ho mety sarotra ny fiterahanâilay vehivavy na tsia. Misy koa anefa ireo vehivavy manatona toeram-pisafoana, izay hita fa tena salama tsara hany ka mahatoky tena, rehefa tonga ny fotoana fiterahana dia tsy manantona toeram-pitsaboana intsony. Tsara ho fantatra anefa fa tsy voatery ara-dalĂ na daholo ny fahasalamananâny vehivavy, fa mety misy tsy ampoizina tampoka eo aminâny fotoana fiterahana, izay mety hananosarotra. Dia izay no ilaina ireny toeram-pitsaboana matihanina ireny, Tsy ny Reny irery rahateo no tena arahi-maso eo aminâny lafinâny fahasalamany fa eo indrindra indrindra ny toeram-pahasalamanâny zaza vao teraka.
Andry Rakotonirainy