Antsiranana, 08 Marsa 2021 maraina, Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Nialohanâny nanaovana ny fambolena honko eo aminâny Baie des Français, plage Marofady, eo ampitanâny Nosy Lonjo (« Pain de sucre »), dia nanao kabary kely Ramatoa Mialy R. Rajolina, Vadinâny Filoham-pirenena, sy Ramatoa Bavy Angelica M., Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy. Noraketinay ato aminâny madagate an-tsoratra ho lovainjafy.
« Ramatoa Filohanâny Antenimierampirenena,
Ramatoa Vadinâny Praiminisitra,
Ramatoa isany Mpikambana eo anivonâny Governemanta,
Ianareo Vadina Minisitra,
Ramatoa isany Solombavambahoaka,
Mesdames et Messieurs les Représentants des Organisations internationales à Madagascar,
Ramatoa Vadinâny Governoranâny Faritra Diana,
Ianareo Manampahefana isan-tsokajiny,
Tompokolahy sy Tompokovavy.
An-karavoana tanteraka no iarahabako antsika vehivavy rehetra tratrinâizao Andro lehibe ho fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho anâny Vehivavy izao. Isaorako ianao Ramatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy taminâny fandraisam-pitenenanao teo.
Misaotra anao sy ireo mpiara-miasa aminao ihany koa, Ramatoa Minisitra, taminâny fiarahana nihisalahy taminâny fikarakarana izao fankalazana izao 8 Marsa izao.
Iarahantsika mahafatantatra loatra fa ny vehivavy dia manan-jo tokoa. Kanefa hita eny anivonâny fiaraha-monina fa mbola misy ny tsy fitoviana. Ka izany indrindra no mahatonga ahy manohana hatrany ny vehivavy aminâny asa ataony an-davanandro mba hananany fahavitan-tena, na eo anivonâny tokan-trano, na eo anivonâny fiaraha-monina.
Raha namboly bararata sy rofia isika omaly, dia hiaraka hamboly honko « mangrove » androany.
Ny « mangrove » dia hafahanâny drakaka sy ny makamba mivelona sy mitombo isa, ary izy ireo dia anisanâny foto-pivelomana ho antsika vehivavy eto Antsiranana.
Manadio ny tontolo iainana koa ny « mangrove », aminâny alalalanâny fisintomany ny « carbone ».
Araka ny fanta-tsika, ho fisoroana ny fiparitahanâny valanâaretina coronavirus, dia isaky ny Renivohi-paritany no nankalazana ny 8 marsa ary eto Antsiranana no voatondro ho ivonâizany.
Koa nosafidianako manokana ny hitondra ny lahateniko ho anâny Malagasy rehetra, aminâny alalanâny radio sy ny televiziona nasionaly (ETO). Koa manasa am-pitiavana antsika rehetra hanaraka izany.
Mankasitraka indrindra, ary manasa anareo avy hiroso aminâny fambolena ireto honko ireto./ ».
Fâinona moa ny vontoatinâny kabarinâi Ramatoa Bavy Angelica M., Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy izany ? Ireto izany nambarany izany :
« (âŠ) Raha ny Tantara dia efa taminâny fiandohanâny taon-jato faha-XX no niady mafy ireo vehivavy nianona ny zo hiasa, hahazo karama mitovy ny aminâny lehilahy, ho afaka hiteraka an-kalalahana, ary indrindra ho afaka mba andeha hifidy. Nandresy ireo zokin-tsika rahavavy ireo, ka izany fandresena izany no ankalazain-tsika isan-taona maneran-tany, isaky ny 8 marsa.
Efa azon-tsika ny zon-tsika rahavavy namana, fa ny fitakiana ny fampiarĂ na no ho ataon-tsika aminâny alĂ lanâny fandraisana andraikitra. Izany indrindra no ahatongavan-tsika androany, fa ny vevhivavy mizaka tena sy miarin-doha ao anatinâny tontolo iainana mirindra no antoky ny fampandrosoana lovainjafy.
Fanta-tsika ary iainan-tsika tokoa. Tato ho ato dia misy ny olana miseho noho ny fiovanâny toe-trandro, sy ny fasimbanâny tontolo iainana. Ka noho izany, miakatra ny afanana, tsy misy ny orana, tsy misy ny rano sotroina, maina ny tany, tsy misy ny vokatra. Ao ihany koa ny aretina covid-19 izay mamparefo ara-pahasalamana sy ara-toe-karena ka mampitombo ny fahantrana misy amintsika.
Ny zaza amam-behivavy no tena iaranâizany rehetra izany ka mahatonga azy ireo mifindra monina, ny any aminâny faritra Atsimo. Izay no antony andraisan-tsika andraikitra aminâny androany, aminâny fanaovana izao fambolena honko na « mangrove » mba hanatsara ny tontolo iainan-tsika ka apetran-tsika ho lovainjafy.
Ataon-tsika izao mba anampiana ireo rahavavin-tsika, ireo mpanjono izay mitrandraka ity toerana ho fivelomanâny ankohonany. Ka ao anatinâizany dia ho afaka hizaka-tena ara-toe-karena, tsy miankin-doha fa ho vehivavy mandray andraikitra sy mitovy lenta aminâny fandraisana adidy an-tokan-trano izy ireo.
Ny Ministeranâny mponina izay miahy ny Fampivoarana ny Vehivavy dia misaotra sy mankasitraka anareo rehetra fikambanam-behivavy, manam-pahefana sy tomonandraikitra isan-tsokajiny (âŠ) ».
Nandika ny kabary an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy
Naka vidéo sy ny sary : Andry Rakotonirainy
* * * * * * * * * * * * * * * *
SARY FAHATSIAROVANA TANY AMIN'NY BAIE DES FRANCAIS PLAGE MAROFADY
ANTSIRANANA, 08 MARSA 2021 MARAINA