Ivato, 14 Oktobra 2017. Tonga tao aminâny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny nofo mangatsiaky ny Profesora Zafy Albert, Filoham-pirenena teo aloha (1993-1996) izay nodimandry tatsy amin'ny Nosy La RĂ©union, ny Zoma 13 Oktobra atoandro.
Tonga nitsena sy nanome voninahitra izany fahatongavana izany ny Praiminisitra, Lehibenâny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao aminâny Governemanta.
Hita teny an-toerana ihany koa ireo Filohanâny Andrim-panjakana aminâizao sy teo aloha, ny Filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka mivady, ny sokajin-kerim-politika maro samihafa ary ireo fianakaviana.
Rehefa avy nanaovana ny fomba rehetra fanomezam-boninahitra ny Filoham-pirenena teo aloha rehetra rehefa modimandry dia nihazo avy hatrany ny trano fonenany eny aminâny Villa «La Franchise», ao Ivandry, ny nofo mangatsiakanâny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert sy ireo rehetra nitsena azy teny Ivato.
*************
Toa izao ny fandaharam-potoana izay nomenâny fianakaviany:
- Alinâny 14 oktobra 2017: nandrasana tao aminâny trano fonenany ao aminâny Villa «La Franchise», Ivandry, ny nofo mangatsiakanâny Filoham-pirenena teo aloha, ny Profesora Zafy Albert. Ny fiaretan-tory dia natokana ho an'ny fianakaviana ihany.
- Alahady 15 oktobra 2017: fotoam-pivavahana ao aminâny EKAR Antanimena izay tarihinâny Mgr Odon Marie ArsĂšne Razanakolona. Aorianâizay dia entina avy hatrany ao aminâny Lapanâny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakanâny ny Profesora Zafy Albert, ho vangianâny Malagasy tsy vaky volo ka hisy ny fiaretan-tory amin'izany.
- Alatsinainy 16 oktobra 2017: fivavahana firaisam-pinoana. Vita ny fotoam-pivavahana dia hizotra mianavaratra ny razana ka hiazo an' Ambilobe amin'ny alalĂ n'ny fiara (fa tsy fiaramanidina) vao handeha any Betsiaka toerana nahaterahany.
- Sabotsy 21 oktobra 2017: andro hanitrihana ny nofo mangatsiakanâny Profesora Zafy Albert any amin'ny fasan-drazany any an-toerana.
Jeannot Ramambazafy 15 Oktobra 2017