]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Zafy Albert. Veloma nataon-dry Hery sy Voahangy Mivady tany Betsiaka

Zafy Albert. Veloma nataon-dry Hery sy Voahangy Mivady tany Betsiaka

Betsiaka, Distrikan’Ambilobe, Sabotsy 21 Oktobra 2017. Tontosa soa aman-tsara ary an-tsakany sy an-davany ny fialan’ny profesora Zafy Albert ity tany fandalovana ity. Ary dia nanatrika ny dingana farany ny filoham-pirenena mivady dia i Hery sy Voahangy Rajaonarimampianina izany. Ho gaga ianareo rehefa avy nijery ireto sary manaraka ireto. Sary, mbola averiko eto fa tsy misy fepetra ny fampiasana azy ireo.

Ny Antakarana dia manana fomba manokana rehefa misy havany nodimandry. Ka ireto avy izany:

Tsy fiteny ny hoe mandevina izany fa manafina na manitrika no izy. Izany hoe afenina na asitrika ny razana. Rehefa tonga any an-toerana manakaiky ny anaovana izany dia tsy lanjaina ny razana fa tsy entina amina fiara. Izany hoe rehefa avy nanaovana porizenitra ny Profesora Zafy Albert, niaraka tamin’ireo miaramila dia anjaran’ny fianakaviana sy ny vahoaka amin’izay ny mitondra azy any amin’ny trano vato.

Ny lehilahy dia tsy maintsy manao kitamby ary ny vehivavy kosa manao salovagna (lambahoany). Marihina fa ny vady dia tsy manatrika ny fanasitrihina mihitsy. Rehefa vita ny lamesa dia mitodi-doha mody izy. Izay no nahatonga an’i Ramatoa ThĂ©rĂšse Zafy nitodi-doha nandeha ho any Ambilobe.


Ny zanaka indray dia mahazo manatrika fa tsy maintsy manala kiraro ary manasa tanĂ na avy eo ka tonga dia miverina mody rehefa voasitrika ny razana. Rehefa avy nasitrika ny razana dia mandeha mody daholo ny olona rehetra ary tsy mahazo mitodika.

Zaraina toaka ny vahoaka avy eo. Satria ny toaka dia rano sy afo mitambatra, kanefa zavatra tsy afaka miaraka. Izay no mampahery azy. Tsy tokony tratran’ny tsîfotrandra ny fanitrihina, izany hoe alohan’ny 4 na amin’ny 5 ora hariva.

MihĂŽsika: mandrisika ny lehilahy ary ny vehivavy kosa manesy

AmpijĂŽry: mitondra hazo manga izay manokatra ny varavarana. Miantso Zagnahary izay vao miantso ny Razana. Izy koa no manakatona ny fasana rehefa lasa daholo ny olona

Mikehiny: misy olona miteny amin’ny Razana: « efa tontolo hafa misy anao fa aza manaraka ny velona intsony ».

Sary amin’izay.

Jeannot Ramambazafy

 

 

Ity no atao hoe Zombavola, fasam-pianakaviana ("caveau familial"). Ato ny profesora Zafy Albert no nasitrika ary mandry am-piadanana, miandry ny fitsanganana amin'ny maty, araka ny finoana kristianina

Mis Ă  jour ( Dimanche, 22 Octobre 2017 16:26 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...