]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Andry sy Mialy Rajoelina, gare Soarano. "Blessings are powerful" 2

Andry sy Mialy Rajoelina, gare Soarano. "Blessings are powerful" 2

Maro tsy ho voatanisako eto ireo olona milaza fa mpino kanefa dia manadino an’Andriamanitra rehefa difotry ny ambo-po diso tafahoatra, ka mihevitra fa mahavita tena tanteraka ka ny teny aloaky ny vavany fotsiny ihany dia hamaha ireo everiny fa olana eto amin’ity tany fandalovana ity. Kanefa rehefa zoina tsara dia ireo olona ireo ihany no mamboly izany olana izany.

Ny Kristianina tena Kristianina kosa (ireo mino Andriamanitra iray ary mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty : Jiosy, katolika, Protestanta, Advantista, Loterana, Anglikana sy ireo fiangonana « zandriny » maro mino izany), dia ny fatahorana an’Andriamanitra no mibahana voalohany amin’ny zava-drehetra ataony amin’ny fiainany. Ary ny fampisehoany voalohany izany fatahorana an’Andriamanitra izany dia ny fangatahana fitahiana, tsodrano sy fisaorana amin’ilay Avo indrindra.

FITAHIANA, TSODRANO, FISAORANA

Fangatahana amin’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy; firarian-tsoa; fankasitrahana; fanomezam-boninahitra; fiderana; fiarovana amin’ny ratsy; fanaovan-javatra mahasambatra ny hafa. Miverina in-400 eo ho eo ny teny hebreo maromaro nadika hoe « mitahy, mitso-drano, misaotra » na « fitahiana, tsodrano, fisaorana », ao amin’ny Baiboly.

Misaotra an’Andriamanitra. Misaotra an’ Andriamanitra ny olona rehefa midera sy mankasitraka azy, miaiky fa avy Aminy ny fitahiana rehetra azony, miresaka zavatra tsara momba Azy foana, mivavaka Aminy, ary manompo Azy (Salamo 26 : 12). Misaotra an’Andriamanitra koa izay mitory ny vaovao tsara satria mitondra dera ho an’ny Anarany sy ny Fikasany (Matio 24 : 14 ; Hebreo 13 : 15). Fiteny re matetika koa ny hoe « Tso-drano zava-mahery » indrindra eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka (rehefa fanambadiana ohatra). « Blessings are powerful » no dikany tamin’ny teny anglisy.

Ny Alahady 7 Oktobra 2018 dia nisy ny Fandaharana fangataham-pitahiana niombonam-pinoana nanokafana ny fampielezan-kevitry ny Kandida laharaha faha-13, Andry Rajoelina. Sary andiany faha-2.

Jeannot Ramambazafy – Harilala Randrianarison

Mis Ă  jour ( Lundi, 15 Octobre 2018 16:23 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...