Noho ilay coronavirus mandripaka maneran-tany ka anisan'izany ny Nosy malalan-tsika Madagasikara ity, dia faran'izay tsotra tokoa ny fahatsiarovana ny andron'ny 29 marsa 1947 tamin'ity taona 2020.
Izany anefa tsy nanakana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nanatontosa ny adidiny amin'ireo Mahery Fon'ny Tanindrazana malagasy, tetsy amin'ny Mausolée avaratr'Ambohitsaina.
Ary izao ny nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny pejiny Facebook ofisialy, androany 29 marsa 2020 :
“Lova napetrak’ireo mahery fo ho antsika ny fitiavan-tanindrazana. Tsaroantsika mandrakizay izy ireo sy ny ady natrehiny.
Ary ankehitriny dia anjarantsika indray izao ny maneho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana manoloana ny ady ataontsika. Ho an’ny Tanindrazana!”.
Ity manaraka ity kosa no nosoratany tamin'ny teny frantsay ao amin'ny kaontiny Twitter :
Jeannot RAMAMBAZAFY
29 Marsa 2020