Alahady 20 Jona 2021 tolakandro, Ekar Katedraly Andohalo, andron'ny Fetin'ny Raim-pianakaviana koa. Ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian sy Ramatoa vadiny, Léa Ntsay, dia nanatrika ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fangataham-pitahiana ho an'ny Tanindrazana ary ho fitrotroana am-bavaka ny vahoaka Malagasy, ao anatin'ny fankalazà na ny faha-61 taona niverenan'ny Fahaleovantenam-pirenena sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy.
Ireto misy sary mirakitra izany fotoana izany ho fahatsiarovana.
Â
Primature sy Madagate