]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Rivo-doza Ana. Mialy R. Rajoelina tany Ambohitrimanjaka sy Ankorondrano

Rivo-doza Ana. Mialy R. Rajoelina tany Ambohitrimanjaka sy Ankorondrano

Vao Nigadona ilay rivo-doza Ana izay namela takaitra maro tao anatin’ny faritra atsinana, avaratra andrefana sy afovoan’i Madagasikara, tamin'iny volana janoary 2022 lasa iny, dia efa nivonona ny Association Fitia natsangan’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirena, teo amin’ny fanampiana sy fandraisana an-tànana ireo tra-boina, indrindra fa eto amin’ny renivohitry ny Nosy sy ny manodidina azy.

Nisy fanomanana goavana tao nanjakan’ny firaisan-kina tanteraka. Ny 31 Janoary 2022 dia niditra an-tsehatra nivantana ny vadin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Tao Antanimenabe Ambohitrimanjaka dia sady nizara koba aina izy sy ny mpiara-dia aminy no nanolotra fanampiana ho an’ireo tra-boina, toa ireo zavatra ilaina andavandro na ireo « Produits de première nécessité » na PPN (sira, vary, siramamy, menaka, voamaina…), kidoro sy bodofotsy, akanjo, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fanafody isan-karazany, arovava orona. Tsy adino ny nametrahana hopitaly mandehandeha na ilay hoe « clinique mobile » izay notsidihin’i Ramatoa Mialy.

Tao amin’ny kianja mitafo ao Ankorondrano indray dia fizarana mivantana sakafo ho an’ireo traboina no natao, ankoatra ny fizarana isan-karazana efa natao. Fa tsy aleho ve ny sary amin’izay no avelan-tsika hiteny.

Mialohan’izany anefa dia aleho aloha mampita ny fisaorana avy amin’ny Filoha mpanorina sy ireo mpikambana an-tsirapo mandrafitra ny Association Fitia :

« Tsy mora tokoa na ny teo amin'ny lafiny fizarana ny sakafo na ny teo amin'ny lafiny fandaminana ny toby, na ny fizahana ny fahasalamana.

Tsy vita samirery izany rehetra izany koa mankasitraka manokana ireo rehetra izay tsy nisalasala nanohana ary nifanampy taminay :

Ny Ministry ny Mponina

Ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka

Ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena

Ny Ministry ny Serasera sy ny Kolotsaina

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa

Ny Ministry ny Atitany

Ny Ministry ny Tanora sy Fanatanjahantena

Ny Ministry ny Angovo

Ny Solombavahoaka Antananarivo faha-III

Ny BNGRC

Ny Vokovoko Mena malagasy

Ny Direction des Affaires sociales et politiques de la Présidence

Ny CUA


Ireo mpitandro ny filaminana miantoka ny fandriampahalemana teny an-toerana rehetra:

Ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena »./.

Jeannot Ramambazafy – Association Fitia

Mis Ă  jour ( Mardi, 01 FĂ©vrier 2022 09:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30