]
Les quotidiens du 26 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Richard Ramanambitana. Ny adidy tsy an’olon-dratsy… Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, 13 septambra 2024 SARY 1

Richard Ramanambitana. Ny adidy tsy an’olon-dratsy… Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, 13 septambra 2024 SARY 1

Iza amintsika olom-belona no mahasahy milaza fa tsy ho faty ? Ao no maniry izany ho an’ny hafa, toa milaza fa tsy ho faty mihitsy ireny olo olom-poana ireny. Samy handao ity tany fandalovana ity isika tsy ankanavaka, n’aiza n’aiza misy ny tsirairay eto an-tany, f’aza maika.

Tsy hoe satria any ampita any ianao no monina dia tsy ho faty. Ny fomba sy fotoana no tsy misy mahalala fa tonga toa mpangalatra ny fahafatesana. Na olo-marina ianao na olona tsy manjary dia tsy maintsy hiala ety an-tany. Ny fanontaniana dia izao : inona no mba lova havelanao ho an’ny taranakao, ho an’ny ankohonanao, ho an’ny firenenao ?

Nandao antsika Andriamatoa Richard Ramanambitana. Vita ny anjaram-piainany tety an-tany. Zandriko 15 taona izy ary tsy nihaona mihitsy izahay na dia iray segondra aza. Kanefa olom-pirenena izy ary izaho mpanao gazety. Loholona amina sary sy/na vidéo no nahitako azy. Voatendry Psd ho an’Antananarivo izy, ary tsy maintsy noresahina izany.


Nisy fotoana -telo volana teo- no tsy nahazoana vaovao intsony ny mikasika azy. Tsy ela ireo tsy manjary fa dia nampiseho ny tsy fahavanonany. Matoa ianareo ireo maty eritreritra dia efa maty izay no dikany. Tsy hisy halala fa ny adalanareo ny ho lovain’ny taranakareo izay nozoninareo.

Ny 13 septambra 2014, tonga ny vaovao fa nodimandry Andriamatoa Richard Ramanambitana ny alin’ny 12 septambra. Nipetraka indray ny fanontanian-draolombelona : fa naninona ? Tsotra : tonga, Tompoko, ny fotoana nandaozany ity TANY FANDALOVANA ity ! Ary raha mitombo ny taonan’ny tsirairay dia manakaiky koa izany fotoanan’ny tsirairay amintsika, handaozana ity Tany ity. Ny ora sy fomba hampitsahatra ny fon-tsika no tsy misy mahalala.

Angony daholo ny tianareo hangonina fa ny fahafatesana tsy ho voavidim-bola na manana 100.000.000.000.000 miliara dôlara aza ianao io matahotra sahady io ! Ny fehiny ? Manaova ny tsara hatrany, ary mahaiza mitia izay fiainana narafitrao ho an’ny taranakao fony ianao mbola velona.

Hoy indrindra ny Papa Ray Masina François, ny 12 septambra 2024, tamin’ny nanaovany fitsidihina apostôlika tany Singapour, mikasika ny Fitiavana :


« (…) Raha misy tsara sy mitoetra eto amin’izao tontolo izao, dia satria ny Fitiavana no nandresy ny fankahalana, ny Fitiavana no nampandresy ny firaisankina eo anatrehin’ny tsy firaharahiana, ny Fitiavana no nampandresy ny fahalalahan-tànana eo anatrehin’ny fitiavan-tena. Raha tsy nisy ny Fitiavana dia tsy nisy olona afaka nanangana renivohitra goavam-be teto.

Tsy hisy velively zava-maharitra teraka sy mitombo ho azy eo raha tsy mitoetra ny Fitiavana.

Indraindray, ny haavony sy ny halehiben'ny tetik’asantsika no mety hahatonga antsika hanadino izany ; mahatonga antsika hino fa isika irery ihany no naha izy antsika, eo amin’ny lafin’ny harentsika, ny fahasambarantsika…. Saingy ity fiainana fandalovana ity ihany no mampahatsiahy ny fiafarana marina : raha tsy misy Fitiavana dia tsinontsinona isika (…) ».

Eto, Tompoko, dia tsotra ny ahy : rehefa mino an’Andriamanitra tokana sy iray, rehefa mino ny fitsanganan’ny fanahy -fa tsy ny nofo- dia Kristianina no anarany. Na Katôlika, na Protestanta, na Advantisa, na Loterana… Iray ihany ny Baiboly.


Vita ny asan’Andriamatoa Richard Ramanambitana tety. Nahita ny zafikeliny izy. Izany no fahasambarana. Ka ho an’io zafikeliny io, sy ny ho avy no nanaovanay madagate adidy, fametrahana raki-tsary (nalaina ny 13 Septambra 2024, tao amin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo) ho an’ny taranaka malagasy iray manontolo manambara fa nisy izany RAMANAMBITANA RICHARD izany.

Mandria am-piadana ianao, Honorable.

Nanoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison

Lapan’ny Tananan’Antananarivo, 13 Septambra 2024


Mis à jour ( Samedi, 14 Septembre 2024 11:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale