]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles United Kingdom. « Asa » fanaon’ny Mpanjaka Elisabeth II sy ny momban’ireo Mpanjaka Charles I, II sy III

United Kingdom. « Asa » fanaon’ny Mpanjaka Elisabeth II sy ny momban’ireo Mpanjaka Charles I, II sy III

Fandraisana anjara sy fanoloran-tenan’ny Mpanjaka amina lafiny samihafa : hetsika ara-tsosialy, ara-koltoraly…, fitokanana lanonana, fanolorana medaly… Maro no « asa » sahanin’izany Mpanjakan’ny United Kingdom izany.


Raha ny an’ny Mpanjakavavy Elizabeth II dia nanodidina ny planeta Tany in-42 izy, ary nandray anjara tamina hetsika an-jatony, fitokanana, fandraisana ary fanomezana medaly isan-taona.

Mpanjaka araka ny lalàm-panorenana izy. Fa na dia lohan'ny fanjakana, Filohan'ny Commonwealth (fikambanan’ireo Firenena miteny anglisy) izy dia tsy misahana ny resaka politika mihitsy izy (“apolitique”).

Na izany aza, raha miresaka an’ny Mpanjakavavy Elizabeth II, nandritra ny fitondrany dia nanamarina volavolan-dalàna miisa 4.000 teo ho eo koa izy tamin'ny fanomezana azy ireo "fanekena avy amin’ny Mpanjaka". Kanefa fombafomba ihany izany satria tsy nisy lalàna nolavin’ny Mpanjaka izany intsony nanomboka ny taona 1708. Fa tsy tambo isaina ireo fanendrena ofisialy nekeny (fa tsy nataoko eto ireo).


Nandritra ny 70 taona nanjakan’ny Mpanjavavy Elizabeth II, dia nanokatra isan-taona ny fotoam-pivoriana isan-taonan'ny Parlemanta (in-telo monja izy no tsy afaka nanao izany). Hetsika ofisialy manetriketrika nisy efa an-jato taona izy io. Ao anatin’izany dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany ny Mpanjakavavy Elizabeth II ary namaky tamin'ny feony malefaka ny fandaharan'asan’ireo mpanao lalànan'ny governemanta. Marihina fa tsy izy Manjakavavy mihitsy no namolavola izany lalàna izany.


Saika isan-kerinandro ihany koa no nandraisany ny Praiminisitra, izay tonga nampita vaovao taminy momba ireo fivoaran-draharaha farany. Afaka “nampahery sy nampitandrina” ihany koa izy, nefa tsy nanohitra ny fanapahan-keviny mihitsy. 15 no isan’ireo Praiminisitra tao anatin’izay 70 taona nanjakany izay, nanomboka tamin'i Winston Churchill ka hatramin'i Liz Truss. Lehibe faratampon’ny izy ary Governora Faratampon'ny Fiangonana Anglikanina koa izy.


Firenena miisa 110 no nalehan’ny Mpanjakavavy Elizabeth II ary fitsidihina 150 mahery no nataony tao amin’ireo firenena miisa 54 ao amin’ny Commonwealth (azo ampitahana amin’ny Francophonie).

Ny volana novambra 2015, teo amin’ny faha-89 taonany no nandehanany farany tany ivelan’ny United Kingdom. Nangataka an'i Charles zanany lahy izy avy eo mba hisolo tena azy. Nampiantrano olo-manan-kaja vahiny maro koa izy io, namaliany ireo fitsidihana ara-panjakana 112 nisy tao UnitedKingdom.

Talohan'ny Covid dia nandray olona 139.000 eo ho eo isan-taona ny Mpanjakavavy Elizabeth II: garden parties, fandraisam-bahiny mana-kaja, sakafo ofisialy amina vahiny avy any ivelany, lanonana fanomezanamedaly… Araka ny tatitra avy ao amin’ny Buckingham Palace dia nahazo fifanekana (“engagements”) isan-karazany miisa 21.000 ny Fanjakan’ny United Kingdom.


Nandefa taratasy fitsingerenan'ny andro nahaterahana miisa 300.000 ho an'ireo olona feno zato taona koa izy, ary firarian-tsoa sy fiarahabana maherin'ny 900.000 ho an'ireo mpivady nankalaza ny tsingerintaonan'ny mariazy diamondrany (60 taona nanambadiana). Nanomboka ny taona 1957 dia nifamatotra manokana tamin'ny hafatra Krismasy nentim-paharazana ny Mapnajakavavy Elizabeth II. Ireo firarian-tsoa eo ankatoky ny Krismasy dia nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra, ka izy tenany ihany no nanoratrany zavatra ho teneniny.

FIAINANA ANDAVANANDRON’NY MPANJAKAVAVY ELIZABETH II


Nofehezina toy ny famantaranandro ny fiainany andavanandro: amin'ny 7:30 maraina izy no nifoha ary misakafo maraina izy amin'ny 8:30. Avy eo namaky ny antontan-taratasin'ny governemanta - nampitaina tamin'ireo “boaty mena” malaza – izy. Nanomboka amin'ny 9:30 dia mandray olona mandeha tsirairay (“audience individuelle”).

Taorian'ny sakafo antoandro maivana dia tiany ny mitsangatsangana irery eny an-jaridaina, sy ny miala sasatra miaraka amin'ny famakiana ilay gazety boky “Racing Post” voalaza fa “baibolin’ny hazakazaka soavaly isan'andro”.

Nifarana talohan’ny fotoanan’ny-dite tamin’ny 5 ora hariva ny fanorolan-tenany (“engagements”) rehetra tamin’ny tolakandro. Niasa adiny iray indray ny Mpanjakavavy. Avy eo izy nisotro ronono ao amin’ny tranony manokana, izay nankafiziny nijery fahitalavitra. Fa matetika izy dia mbola niasa nijery ireo taratasy tao amin'ireo "boaty mena".

"Queen Rainbow" koa no anisan'ny fiantsoana ny Mpanjakavavy Elisabeth II. Azonareo an-tsaina ny antony sa tsy izany ?

Hatramin'ny nisian’ny areti-mifindra Covid-19 dia tao amin'ny Windsor Castle any West London izy no nipetraka, saingy nanohy nandeha tany amin’ny trano fonenan'ny Mpanjaka ao Sandringham ho an'ny fety tokony tontosaina, sy ao Balmoral Castle (Ecosse) rehefa lohataona.

Ny anjara asany lehibe indrindra dia ny "tsy miangatra" (“impartialité”). Ny tsy fitongilanana izay tsy noleferiny mihitsy na oviana na oviana. Tsy nanao jadona izany mihitsy izy fa nanaja ny hevitry hafa hatrany fa nahay nandresy lahatra amina fiteny malefaka fa mazava. Izany toetrany izany niampy ny fahatsapany ny atao hoe adidy (“sense of duty”) no nahatonga azy hitoetra ho malaza be hatramin'ny nadaozany ity tany fandalovana ity ny 8 Septambra 2022.

MPANJAKA CHARLES III hoe ?


Araka ny fandaminana ao amin’ny United Kingdom dia ny Prince de Galles Charles no mandimby ny Reniny, ny Mpanjakavavy Elizabeth II. Manomboka eo izany dia niova ny hiram-pirenena ka ilay “God save the Queen” dia lasa “God save the King”. Fa maninona moa no hoe lasa Mpanjaka Charles III no lasa anarany ? Io aloha dia izy manokana no nisafidy azy. Fa raha misy ny III dia nisy ny II sy ny I. Iza avy ary ireo?

MPANJAKA CHARLES I


Ity Mpanjakan’i Angleterre, Ecosse ary Irlande ity dia teraka ny 19 Novambra 1600 tao Dunfermline ary niamboho ny 30 Janoary 1649 tao London. Zafikelin'ny Mpanjakavavy Mary Stuart sy zanaky ny Mpanjaka Jacques Stuart izy,ary nandimby an'ity farany tamin'ny nahalasany, tamin'ny 27 Martsa 1625.

Ny fitondran'ny Mpanjaka Charles I dia nahitana ny fifandonany tamin'ny Parlemanta sy ny ady an-trano izay niafara tamin'ny revolisiona. Resy lahatra izy fa nanana fahefana tamin’ny alalan’ny zon’Andriamanitra, ka nanjary tsy refesy mandidy sy nanao jadona nandritra ny ady an-trano anglisy (“guerre civile anglaise”).

Hatrany am-piandohan’ny fitondrany, i Charles I dia nifandona tamin’ny Parlemantan’i Angleterre mba hampitomboana ny fidiram-bolany, fa ny farany kosa dia nitady hametra ny zon’ny mpanjaka, izay noheverin’ny mpanjaka ho zon’Andriamanitra. Ny fitsabahany tamin’ny raharaha ara-pivavahan’ny Eglizy any Angleterre sy Ecosse, ary ny fampisondrotanany hetra tsy misy faneken’ny Parlemanta dia tena tsy neken’ny mpitoriteny protestanta sasany, izay nihevitra azy ho mpanjaka tsy refesy mandidy sy mpanao jadona.


Ireo taona farany nanjakan'ny Mpanjaka Charles I dia nanamarika ny Adin'ny Fanjakana Telo sy ny Revolisiona Anglisy Voalohany, izay niatrehany ny vondron-kery parlemantera. Resy ny miaramilany tamin’ny ady an-trano voalohany (1642-1645). Nanantena azy ny Parlemanta hanaiky ny fitakiany momba ny fitondram-panjaka araka ny lalàm-panorenana, saingy tsy nety nifampiraharaha izy ary nanao fifanarahana tamin'i Ecosse, talohan'ny nandosirany tany amin'ny Nosy Wight. Niteraka ady an-trano faharoa izany (1648-1649), sangy resy indray ny Mpanjaka Charles I.

Fa ny taona 1674 dia nosamborina izy, notsaraina amin’ny anaran’ny vahoaka ary ny 30 janoary 1649 dia notapahan-doha tao amin’ny Lapan’ny Whitehall, satria hoe namadika ny Tanindrazana (“Haute trahison”). Nofoanana ny fitondram-panjakany avy eo ary nitsangana ny “Repoblika”, nantsoina hoe “Commonwealth of England”, notarihin’ny miaramila ka i Oliver Cromwell no lehibeny -nitondra ny anarana hoe “Lord Protector”-, izay nodimandry ny 3 Septembra 1658. Tamin’ny 1660, dia naverina tamin’ny laoniny ny fitondrana entina Mpanjaka (“Monarchie”) ary ny lahimatoan’ny Mpanjaka Charles I no niakatra teo amin’ny seza fiandrianana, ka nitondra ny anarana hoe Charles II.

MPANJAKA CHARLES II


Ity Mpanjakan'i Angletera, Ecosse ary Irlande ity dia teraka ny 29 Mey 1630 tao amin’ny Lapa Saint James ao London. Zanaky ny Mpanjaka Charles I sy ny Mpanjakavavy Henriette-Marie de France izy. Rehefa nodimandry i Cromwell dia niverina avy any France ny zanaka lahimatoan’ny Mpanjaka Charles I, izay voatery nandositra, ny 29 mey 1660. Nanomboka teo izy no lasa ny Mpanjaka Charles II mandrapahalasany, ny 6 Febroary 1685. Tsy niteraka moa izy ka dia ny rahalahiny no nandimby azy izay nitondra ny anarana hoe Mpanjaka Jacques II Stuart. Tantara hafa…


OPERATION LICORNE

Raha tadidintsika dia ny "Opération London Bridge Down" dia fampilazana fa niamboho ny Mpanjaka. Rehefa fantatr'izao tontolo izao izany tranga tsy maintsy handalovana raha mbola olombelona ihany -n'iza n'iza- dia ny "Operation Unicorn", na "Opération Licorne" amin'ny teny frantsay, no mandimby io "Opération London Bridge Down" io. Tsy azo adino fa Mpanjakan'ny Angleterre, United Kingdom sy Ecosse ny Mpanjaka niamboho sy ny handimby azy. Ny taona 2017 no nampiarina io "Opération Licorne" io voalohany indrindra. Ny "Licorne" na koa soavaly fotsy misy tandroka maranitra dia aseho eo amin'ny famantanarana ny Ecosse, eo akaikin'ny liona anglisy. Koa hiara-hisalahy izany ny Ecosse sy ny Royaume-Uni amin'ny fampanarahana ireo tsipika manodidina tsy maintsy arahin'ny rehetra ao anatin'ny foloandro nahalasa ny Mpanjaka Elisabeth II izay marihina fa ao Balmoral, any Ecosse, no niamboho. Ary mahakasika ihany koa ny manodidina ny fiakaran'ny Mpanjaka Charles III eo amin'ny seza fiandrianana sy ny manodidina ny fanitrihina ny nofo mangatsiaka ny reniny izay nandao ity Tany fandalovana ity.

Raha hiverenena tokoa ny mikasika ny Mpanjaka Charles III amin’izao fotoana izao dia fantaroary fa teraka ny 14 Novembre 1948 tao Buckingham Palace izy. Tonga dia nandimby ny reniny, ny Mpanjakavavy Elisabeth, izy, araka ny fitsipika napetraka fa “tsy maty mihitsy ny Fahapanjaka na “Royauté” na koa “Monarchie”. According to the established principle that royalty never dies, Prince Charles automatically became, on Thursday September 8, 2022, after the death of Elizabeth II, the new sovereign of the United Kingdom.

Ny tohiny alohan’ny hanafenana ny nofo mangatsiaky ny Mpanjaka Elizabeth II ?

Garter Principal King of Arms

Ny Sabotsy 10 Septambra 2022 no hambara ampahimaso fa lasa Mpanjaka i Charles lahimatoan'ny Mpanjakavavy Elisabeth II. Izany dia hatao mandritra ny fivoriana manokana ny atao hoe Conseil d'accession” mivory aorian’ny fahalasan’ny mpanjaka iray. Izy io dia ahitana ireo mpanolo-tsain'ny mpanjaka, ny Ben'ny tanànan'i London, ireo loholona ary ireo kaomisera ambony ao amin'ny firenena mpikambana ao amin'ny Commonwealth manana solontena ao London. Aorian'ny fanambarana dia hisy tifitra tafondro miisa 41 hatao ao Hyde Park. Ny fanambarana ampahibemaso voalohany momba ny mpanjaka vaovao dia hovakian'ny Garter Principal King of Arms - ny mpikambana ambony indrindra ao amin'ny College of Arms - eny an-kalamanjana ao amin'ny Lapan'i St James. Avy eo dia hamaky fanambarana ny mpanjaka vaovao ary hanao fianianana hiaro ny Eglizy ao Ecosse sy ao Angleterre.

Dossier notontosain'i Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, zoma 9 Septambra 2022

Mis à jour ( Dimanche, 11 Septembre 2022 05:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO