]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Tsiroanomandidy : Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona

Tsiroanomandidy : Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona

Tsiroanaomandidy, Renivohitra ny faritra Bongolava no nisafidianana ny fankalazana ny Andro iraisampirenena ho an’ny zokiolna, ny 1 Oktobra lasa teo. Hevi-dehibe novoizina ny hoe : ZOKIOLONA : LOHARANO NIPOIRANA, FOTOTRY NY FAHENDRENA.

Na dia teo aza ny hendrika feno alahelo teo amin’ireo rehetra niatrika ny fankalazana, noho ny voina izay nitranga ny 28 Aogositra 2011 (Nahalasan’ny Ministra Nadine Ramaroson), dia tontosa soa aman-tsara ny fanamarihana ny 1 Oktobra.


Nisolo tena ny fitondrana niatrika ity fanamarihana ity ny Lehiben’ny faritra Bongolava izay nanasongadina fa ny lohahevitra nentina amin’ity fanamarihana ity dia manambara fa matoa mbola mitohy izao taranaka malagasy izao dia noho ireo zokiolona izay loharano nipoirana, ka tokony ho karakaraina sy kolokoloina ialana amin’ny fahantrana. « Ny zokiolona dia fototry ny fahendrena, ka mba ampitao amin’ny taranaka faramandimby ny fahendrena izay naha ela velona anareo. Izany dia porofo fa ianareo no fanilo miampita, ka izao fanamarihana izao dia manamarika ihany koa fa ny taranaka dia tsy manadino anareo zokiolona satria ianareo no loharano nipoirana, izay midika fa mendrika anareo zokiolona ny fanomezana hasina ».


Ho an’ny mpikarakara manokana ny zokiolona eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina dia nitatitra ny mahazava-dehibe ny fanamarihana ary nilaza ny fahavononana amin’ny fananganana ny trano fialamboly ho an’ny zokiolona ao Tsiroanomandidy. Nisy arak’izany ny fangatahana nataon’ny Tale ny fiahiana ny sosialy, Andriamatoa Ramahavita Marcel, tamin’ireo mpitondra ao amin’ny faritry Bongolava ny hanomezana tany hanorenana izany trano ny zokiolona izany, izay heverina fa ho vitaina amin’ny faramparan’ity taona ity.

Nitatitra avy hatrany ny Lehibe ny faritra fa dia hijery akaiky ny momba izay toerana hanorenana trano ny zokiolona izay, miaraka amin’ny Benin’ny tanàna. Afatra napetrany rahateo ny tokony hijeren’ny tanora, indrindra fa ny fikambanan’ireo tanora izay nankinina amin’ny Talem-paritra ny tanora ao an-toerana, ny amin’ny fandinihina ny hetahetan’ireo zokiolona.


Nandritra izao fitondrana tetezamita izao dia nametraka avo dia avo ny sosialim-bahoaka ny minisitera ny Mponina izay nahasarotiny tokoa ny an’i tompokovavy Nadine Ramaroson, satria ny fitondrana nifanesy dia nanao ambanin-javatra izay sosialim-bahoaka izay, nanao tsinotsinona ny sosialy. Ny tenany rahateo, foiny fahavelony, dia nitotototo eran’ny nosy nametraka ny maha zava-dehibe izany sosialim-bahoaka izany. Maro dia maro ny olana mianjady amin’ny Zokiolona ka eo ampanaovana fanadihadihana momba ny Zokiolona ny minisiteran’ny Mponina. Inoana fa tsy ho ela dia mba hivaly ny hetahetan’ireo Zokiolona. Ny hirarian’ny minisiteran’ny Mponina dia mba tsy hanao asa be intsony ny Zokiolona fa mba hialavoly sy hilalao amin’ireo zafikeliny satria mendrika ho azy ireo izany .


Nangatahan’nyminisiteran’ny Mponina ihany koa ny tsy tokony hiantsoana ny olona feno 60 taona miakatra ho beantitra fa kosa atao hoe : ZOKIOLONA.


Taorian’ny lanonana dia nisy ny fizarana fanampiana hoan’ireo Zokiolona miisa 750 izay nozaraina : vary 4 kilao, siramamy 1 kilao, menaka 1litatra, savony ary fonosana paty iray avy.


Namaranana ny fotoana ny fiaraha-misakafo tamin’ireo Zokiolona rehetra tao Tsiroanomandidy.

Soratra sy sary : Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Lundi, 03 Octobre 2011 15:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...