]
Les quotidiens du 20 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara Skotisma: 10 taona ny Kiady “Fitiavana”

Madagasikara Skotisma: 10 taona ny Kiady “Fitiavana”

Fifaliana lehibe ho an’ny Kiadin’i Madagasikara Fivondronana Fitiavana ny nanitsaka ny faha-10 taona nisiany. Lanonan’ny samy Kiady notronon’ny Ray aman-dreny sy havana aman-tsakaiza no nanamarihana izany ny Alahady, 02 Septambra teo tao amin’ny Espace Lovasoa Ambohijafy Itaosy. Nanome voninahitra ny Fotoana ny Filoha lefitry ny Komity Lehibe, Rikki, sy Ramatoa Vadiny sy ireo mpikamban’ny Komity Lehibe nahitana an’i Vano, Kakafotra, Dragon. Teo ihany koa ny Mpikambana avy ao amin’ny Foibe izay tonga maro. Nahatonga fialantsiny ny Komity Lehibe Filoha Voara, Ankoay ary Fontsy, tsy afa-nanatrika.


Amin’ny maha lanonan-dehibe ity tsingerintaona faha folo dia nisy ny nofonkena mitapihavanana nifampizarana tamin’ireo teny an-toerana, akoatra ny dihy sy kalokalo dia nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy ny hafaliany, izay nihavaka satria Koban-dravina voavoatra manokana no natolotra. Ny zazanavelan-dRakoto Frah notarihin’i Sophie izay mpikambana no nandravaka tamin’ny dihy vakodrazana.


Nisongadina ny fotoana nahafahan’ireo avy ao amin’ny Komity Lehibe sy ny Foibe niadihevitra ho fanatsarana ny Fikambanana Kiadin’i Madagasikara, ary dia nahazo latabatra manokana mihitsy izy ireo tamin’izany.

Ny tarika Sophie, anisan'ny nanafana ny lanonana

Raha tsiahivina dia ny 02 septambra 2002 no niforona ny Kiady Fitiavana, tao Mantasoa, fikambanana mifanabe amin’ny fomba skotisma. Ankehitriny dia efa misy amin’ny toerana telo eto Antananarivo ny Kiady Fitiavana, EPP Analakely, EPP 67Ha Atsimo, CEG Ambohibao.

Ho fanohizana ity fankalazana ity ny fanatanterahana Lasin-jobily izay atao ao Mantasoa toerana niforonany, ialohavan’ny fandehanana andro vitsy any amoron-dranomasina.

Sefo Ndrema

NB :

Ny skoto Malagasy dia misy toa ireto manaraka ireto :

Tily eto Madagasikara (protestant movement for boys)

Mpanazava eto Madagasikara (a protestant movement for girls)

Antilin'i Madagasikara (a catholic movement for boys)

Fanilon'i Madagasikara (a catholic movement for girls)

Kiady (non denominational for girls and boys scouts)

Malagasy4all - www.madagate.com

Mis à jour ( Lundi, 03 Septembre 2012 14:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul