« Ndao hifarimbona hiady amin’ny herisetra mianjady amin’ ny vehivavy ! »
Isan-taona, ny 25 Novembra, dia entina hakalazana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.
Tamin’ity taona 2012 ity dia natokana ho roa andro ny fanamarihana, dia ny 24 sy 25 Novembra. Nosafidianana manokana amin’ny fankalazana nasionaly ny tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy.
Hetsika maro araka izany no nanamarihana ny fankalazana, ka: ny 24 Novembra no nanaovana ny lanonana ofisialy, izay natomboka tamina filaharam-be nandraisan’ireo fikambanana sy Ong miahy sy mikarakaraka ny asa sosialy anjara ary ireo mponina eny anivon’ny fokontany tsirairay misy ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy.
Tao anatin’ny fanamarihana no nampahafantaran’ny CST Lanto Rakotomavo ny anjara andraikitrin’ ny CST, Andrim-panjaka iray mandritra ny tetezamita, ary mijoro hanao ny lalà na. Izay indrindra no nahatonga ny vehivavy eo anivon’ny CST hitondra ny lalà na hanatsarana ny fampandrosoana ny vehivavy ary handany izay lalà na rehetra mahakasika ny vehivavy.
Tsy zoviana amintsika ny zava-mitranga sy mianjady amin’ny vehivavy hita etsy sy eroa, manana ny zo fototra maha olona ny vehivavy ary ireo razam-be tany aloha aza dia nanome lanja ny anjara andraikitry ny vehivavy, toy ny loharan’olona, kitapo nifonosana, hendrikin’ny trano, ravakin’ny là lana ary renin’ny firenena. Ny olana anefa dia mbola maro ny manao tsinontsinona ny vehivavy, nohon’ny fiheverana fa hoe : fanaka malemy, ka mahatonga ny sasany manao ny herisetra, ka tsy azo ekena velively izany .
Ny ministry ny Mponina kosa dia nitatitra fa : ny herisetra dia tsy ny fikasian-tà nana ihany, fa ao ny ara-moraly, ara-panahy ary ny ara-nofo. Raha fehezina dia izay rehetra atao ka tsy araka ny sitra-po dia azo lazaina fa herisetra avokoa. Araka ny fanadihadihana, hoy ny minisitra, dia ny fokontany Bemasoandro Itaosy no hita fa betsaka ny herisetra mitranga. Noho izany dia atao ho adidy sy andraikitra manomboka androany ny fanentanana sy ny fampianarana mba tsy hisian’ny herisetra, ary ao anatin’izany ny fiara-mitantana, hifanampy mba hampihenana izay herisetra izay. Ny krizy misy sy ny fahantrana dia lasa fanararaotan’ny olona hanaovana izany herisetra izany, indrindra fa ny vehivavy.
Ireo kanosa no hita fa manao izany ka ilaina ny firaisankina ho fiara-mientana, fa tsy là lana hanoherana ny krizy sy ny fahantrana ny herisetra. Anisan'ny notsarovana manokana ihany koa ireo vehivavy any Atsimo, izay miady mafy amin’izao fotoana noho ny zava-mitranga any raha tsy hilaza afa-tsy ny asan-dahalo. Raha ny fanadihadihana ihany dia mahatratra 26% ny ara-batana, ary 24% ny ara-moraly izay 39% ny fandaozana ny tokantrano. Eo koa anefa ny ara-nofo izay mahatratra 11%.
Izao fanamarihana izao anefa dia tsy mijanona fotsiny ho andro iray fa dia notohizana mandritra ny 16 andro manerana ny distrika 14 eran’ny Nosy, ka anatin’izany ny fanentanana sy fihainoana ireo izay hiaran’ny herisetra, koa hantenaina mandritra ny fankalazana fa mba ho Vehivavy Misaina ,Mihary ary Miasa ny Vehivavy Malagasy.
Tao anatin’ny fanamarihana dia nisy fijoroana vavolombelona nataon’ireo izay niharan’ny herisetra. Anisan’izany, ohatra, ny renim-pianakaviana iray izay niharan’ny herisetran’ny fijangajangana ka nandaho azy ny vadiny. Vokatr’izany, taty aoriana dia nisy fanatonan’ity renim-pianakaviana ity ny fikambanana BABEO, ka izy ireo indray no nanoro hevitra sy ny tokony ataon’ity renim-pianakaviana ity. Hafatra nataon’ity renim-pianakaviana dia tsy ho resy mihitsy ny herisetra raha tsy ny vehivavy rehetra mihitsy no miara-miady miray hina.
Ny Alahady 25 Novambra dia nisy ny fanentanana ny vehivavy rehetra hiadiana amin'ny herisetra teny Bemasoandro Itaosy, ary ny fampisehoana ilay horon-tsary Malagasy izay mirakitra indrindra ny herisetra mianjady ny vehivavy ao antokantrano dia « INENIKO ».
Nisy ihany koa ny fiarahana nisakafo natao ho an’ireo sahirana, sy fandraisana ary fihainoana ny herisetra mahazo ireo vehivavy izay nataon'ny Centre d’Ecoute et Clinique Juridique.
Soratra sy sary : Andry RAKOTONIRAINY