Frère Romain Légaré
Bruno Légaré no tena anarany rehefa tonga teo amin’ny asa misionera ny tenany dia nantsoina hoe frère ROMAIN, ary zanaka mpiompytao Princeville, faritany ny Québec Canada. Teraka tamin’ny tamin’ny 4 Jona 1925, izany hoe ho 88 taona izy amin’ity taona 2013 ity. Rehefa tapa-kevitra ny hisafidy ho misionera izy dia nanoka-tena nanampy ny Malagasy indrindra ireo sahirana, nanomboka ny taona 1950. Talen’ny sekoly ESCA Antanimena izy ny 1979, izay ny tenany rahateo no nanorina izany ESCA izany sady mpiandraiki-draharaha ny Governemanta Québécois izy tamin’izany fotoana izany.
Rehefa tsapany fa ny fanabeazana no hanavotra ny firenena iray, dia nanangana ny sekoly Sacré-Coeur voalohany teto Antananarivo, ary niha-nihitatra izany ankehitriny izay ahitana ohatra ny any Toliara ny lycée izay nandray mpianatra hatrany amin’ny 3.000 amin’izao fotoana, toy izany koa ny ao Ambatolampy izay misy toerana hipetrahany amin’izao fotoana, ahitana ny sekoly Ambaratonga voalohany,ary ny lycée izay ahitana mpianatra miisa 50.
Efa mananika ny 80 taona mahery ny lehilahy, nefa raha ny toe-batany dia hita fa mbola matanjaka tsara, ary nanokanany ny fiainany tamin’ny sehatra soasialy ho fanabeazana ny zaza Malagasy. Misy fomba fiteny Malagasy hoe: « Raha misy mangataka aminao milaza fa sahirana na noana, dia aleo kokoa manome azy fitaovana hoentiny mihary mba hamokarany, toy izay mofo na vary, satria ho lany iny avy eo dia iny indray izy fa hangataka aminao ».
Raha nitsidika ny toerana fibeazana Sacré-cœur ao Ambatolampy ny Minisitry ny Mponina, Olga Vaomalala Ramaroson -izay toerana nobeaziny sy nianarany fony fahatanorany-, dia hita tokoa fa niamaro ireo sehatra fianaran’asa izay misy ao amin’ity toerana ity, ary karakarain’i Frère Romain. Anisan’izany ny fampianarana izay ahitana ny sekoly, izay tsy mifototrafotsiny ihany amin’ny fampianarana ankapobeny (“Enseignement général”, fa eo koa ny fampianarana asa (“Enseignement professionnel”), toy ny fampianarana mandrafitra, zaitra, fiompiana, ny mekanika, ary indrindra ny fanitaram-pahalalana amin’ny alalan’ny boky sy ny teknolojia vaovao (Ntic), izay naorina ny taona 2000. Tamin’ity taona 2012-2013 ity dia nosokafana indray ny kilasy 6ème ka hatramin’ny 3ème>
Tsy nijanona hatreo nefa fa nitohy hatrany amin’ny fanitarana ny fototrafitr’asa, ka tamin’ity taona ity dia nisy ny ONG “ Coup de pouce ” avy any ivelany ahitana tanora maromaro, tonga eto Madagasikara nanatanteraka ny asa, izay izy ireo mihitsy no mirotsaka manao asa toy ny fananganana ny tamboho manodidina ny sekoly, izay sambany tamin’ny ankamaroan’izy ireo mba nandray izany fitaovana fananganana tamboho izany. Ireto tanora ireto ihany no niantoka ny fahatongavany teto Madagasikara, ary nanome 4.000 euro ho fanatanterahana ny tetik’asan’ny Sacré-Cœur. Ny tanjon’izy ireo amin’izao fahatongavany eto Madagasikara dia tsy fanampiana ihany, fa eo koa ny fifanakalozana kolontsaina amin’ireo mpianatra eo anivon’ity Sacré-cœur ity, ary ny tena mahavariana dia ny fandrafetana ny hazo lehibe iray ho lasa soratra sy sary mivaingana.
Ny talen-tsekoly tao an-toerana kosa raha nikabary dia nitatitra fa : « mba avy aiza aminay izao fahasoavana izao, fa novangian’ny Minisitry ny mponina izahay eto amin’ny JUVENAT CENTRE SACRE-CŒUR. Maro ny olo-mana-kaja mandalo amin’iny RN7 iny, fa tsy misy mivily eto aminay noho ny fahamaikan’ny diany, satria lavitra ny lalàna, betsaka ny olom-pantatra izay mihazo an’iny RN7 iny, fa tsy mitsidika anay ankory noho ny fotoana sy ny adidy, fa ianao sy ny mpiara-dia aminao dia nataonao laharam-pahamehana izao famangiana anay izao. Sitraka hoenti- matory ka valiana raha mantsiahy ».
Ny Minisitry mponina dia nilaza nanoloana ireo mpianatra fa: « Manatombo ianareo raisin’ny ivon-toerana fanabeazana toy izao, fa maro dia maro ny zaza Malagasy no tsy misy vintana ankory mahazo ny fanabeazana toy izao, ka isaorana I Frère Romain, nanatanteraka fototrafitr’asa lehibe toy izao, koa hendre tsara, mianara tsara, ratovy ny fahalalàna sy fahendrena, ary aza adino fa ny fahalalàna sy fahendrena tsy misy fanahy koa dia tsy misy dikany. Mahaiza mamaly soa izay ataon’ny olona ».
Natao indrindra moa ity ivo-toerana ity hitsinjovana ireo ray aman-dreny tena sahirana, tsy manana ny eo am-pelatànana hoentina ampidirana ireo zanany. Raha ny saran’ny fampianarana fotsiny ato amin’ity sekoly ity dia nataon’ny Sacré-Coeur araka izay tena zakan’ny ireo ray aman-dreny satria dia 8.000 ariary monja.
FRERE ROMAIN NOLAZAIN’NY MPITONDRA HO MPITSIKILO VAHINY TAMIN’NY TAONA 1979
Fa raha hiverenana ny tantaran’i Frère Romain, dia hita ao anatin’ ilay boky izay mirakitra ny fiainany mitondra lohateny hoe :” IL EST FOU CE ROMAIN “.
Hita ao fa anisan’ny sarotra dia sarotra ho azy tokoa ny nandaho ny ray aman-dreniny, ka nanoka-tena ho eto Madagasikara. Tsy vita izay ihany fa eo koa ny làlan-tsarotra nodiaviny indrindra ny taona 1979, izay nahatonga azy nampidirina tao anaty “violon”andro maromaro teny Ambohibao, ka nanaovan’ny mpitandro filaminana azy fakana am-bavany, noho ny fanendrikendrena tamin’izany fotoana izany ho mpitsikilo vahiny sy mpanafatra fitaovam-piadiana handrodànana ny fitondrana.
Teo koa ny lazaina fa mikotrika fikambanan-jiolahy. Rehefa nizotra hatrany anefa ny fakana am-bava azy ka anisan’ny nahatonga mihitsy ny fisavana ny birao iasany teny amin’ny ESCA Antanimena, dia noafahana ihany ny tenany. Ary dia nitohy hatramin’izao hitenenana izao ny asa soa nataony.
Tamin’ny famaranana ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny mponina, dia nisy fijerena ireo toerana misy fotodrafitr’asa ianaran’ireo mpianatra.
Mialoha io fitsidihana io dia nisy fihaonana nataon-dRamatoa Minisitra tamin’ny fikambanan’ny zokiolona ao Ambatolampy, ka nanolorany vary 50 Kg miisa dimy lasaka, savony 5 ary menaka 24 Litatra.
Noararaotin’ireto zokiolona ireto ihany koa ny fihaonana toy nilazan’izy ireo ny hetahetany, toy ny fampidirana ny jiro ao amin’ny trano fialam-bolin’izy ireo, teo koa ny fangatahana fanampiana amin’ny tetik’asa fiompiana sy fambolena.
Ny Minisitra tetsy an-kilany izay dia nitatitra fa ilaina ny fifankatiavana eo amin’ny samy zokiolona, ary ny toerana fialam-boly ny zokiolona dia tsy tokony hijanona amin’izay fotsiny, fa tokony ho hisy ny fifanakalozan-kevitra eo amin’izy ireo, hifampizarana ny mahasoa izay tokony haroso ho tarin-dalàna ny tanora.
Ny tao Antanifotsy moa dia nitaraina ny mponina sy ny zokiolona fa tsy mahazo ny TVM sy ny RNM mihitsy izy ireo, hany ka lavitry ny zava-baovao izay miseho. Soso-kevitra naroson’izy ireo ny tokony hisian’ny pylône mitondra ny antenne ny TVM sy RNM ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy. Marihina fa miisa 360.000 ny mponina ao izay ahitana kaominina 12. Maniry mafy izy ireo mba ho vita aingana ny TVM mba ahafahany mijery ny lalao baolinan-kitra CAN 2013 izay hatao ao Afrika atsimo. Ny Minisitra moa dia nitatitra fa ampitain’ny amin’ny Minisitra namany misahana ny Serasera ny hetahetan’ireto mponina ny Antanifotsy ireo.
Andry RAKOTONIRAINY sy Jeannot RAMAMBAZAFY