Razafisambatra Louis de Mon Désir
FANAMBARANA
Manoloana ny fihazakazahana hampiroso ny fifidianana ho filohan’ny repoblika, Andriamatoa RAZAFISAMBATRA Louis De Mon Désir dia manao fanambarana manaraka etoana :
-Amin’ny lafin’ny pedagojia sy ny fomba nitantanana ny firenena, dia miisa telo ambivalopolo sy roanjato farafahakeliny ny olana fototra tsy napetraka amin’ny adi-hevitra demokratika ka nahatonga izao fasahiranam-bahoaka izao ;
-Nanampy-trotraka an’izay ny tsy fanajana ny fitsipika demokratika manao hoe : « ataovy ny zavatra tenina ary teneno ny zavatra atao » ;
-Raisiko ohatra amin’izany ny tsy fananganana ny « Haute Cour de Justice » mandrak’androany ;
-Dikan’izany, ny fifidianana dia mety ho vaha-olona fototra anankiray fotsiny fa tsy fanekena mazava hamatoran’ny vahoaka ny mpitondra manaraka amin’ny fampanantenana nataony nandritry ny fampielezan-kevitra ;
-Mba tsy hisian’ny krizy aorian’ny fifidianana, ilaina ny fiverenan’ny hery rehetra amin’ny latabatra boribory hamolavolana izany fanekena izany, izay hatao fanampin’ny lalam-panorenana ;
-Nilaozan’ny toetr’andro ny fanarahana an-jambany ny toromarika tsy voadinika amin’ny fomba demokratika ;
-Ny fanaovana tery vaimanta ny fanantanterahana ny fifidianana dia fivarotana tanindrazana amin’ny “fomba moderna”, izay mety hiteraka revolisiona izay tsy fantatra ny hiafarany;
-Tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hitranga eto amin’ny firenena ireo olona mbola te-hanohy sy hanome vahana ny politika mifototra amin’ny « omaly tsy miova » ;
-Ilaina ny adi-hevitra matotra sy tony satria ady seza sy fitakiana ministera afahana manao hala-bato amin’ny fifidianana no natao nandritry efa taona ka nahatonga izao tetezamitatra izao.
Natao teto Paris ny zoma faha 29 marsa 2013
Razafisambatra Louis De Mon Désir