Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Praiminisitra
1 aprily 2020 - Nampivory ireo tomponâandraikitra isan-tsokajiny tany Nosy Be sy Mahajanga ny Praiminisitra, Lehibenâny governementa, Ntsay Christian, niaraka taminâny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, nidinika ny fomba ampiharana ireo fepetra izay napetraky ny Fitondram-panjakana ho fiarovana aminâny fianaky ny valan'aretina Coronavirus.
Mazava ny hafatry ny Praiminisitra nandritra izao fidinana ifotony izao : âNy fahaizantsika mifehy tena no fitaovana entintsika miaro tena sy miaro ny hafa aminâny alalanâny fanarahana ireo fepetra rehetra izay apetrakaâ.
Notsiahiviny nandritra ny fivoriana ireo fepetra rehetra noraisinâny fitondram-panjakana ho fiarovana aminâny fianaky ny Covid-19. Isanâizany ny fametrahana ny âCentre de commandement opĂ©rationnel (CCO)â na ao Nosy Be na ao Mahajanga, izay miandraikitra ny fandrindrana sy ny fandaminana ny asa rehetra ho fiatrehana ny ady atao aminâity valanaretina ity. Miara-miasa aminâny fitondrana foibe, ny eny ifotony sy ny mpitandro ny filaminana ihany koa ity ivon-toerana CCO mba ho ao anatinâny fitoniana sy fandriampahalemana ny fiatrehana ny fiantraikanâity valanaretina ity.
Naneho fankasitrahana ireo solontenam-panjakana sy ireo tomponâandraikitra aminâny sehatra tsy miankina aminâny fanjakana ao Nosy Be ny Praiminisitra, noho ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina asehonâizy ireo aminâny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra noraisinâny fitondram-panjakana. Indrindra ireo mpandraharaha eo aminâny sehatry ny fizahantany izay nanaiky ny tsy hanala ireo mpiasa ao aminy na eo aza ny fiantraikanâity aretina ity aminâio sehatra io, izay tena iankinanâny toekarena any an-toerana.
Efa misy raha teo ny ezaka avy aminâny fitondrana ny aminâny fampiatoana ny fandoavana ny hetra sy ny haba, ny jirama ary ny latsakemboka eny anivonâny Cnaps aminâireo seha-pihariana manara-drafitra rehetra ho fanalefahana ny vola mivoaka aminâireo orinasa ho fitsinjovana ireo mpiasa aminâny tsy miankina rehetra.
Maro ireo ezaka efa vita ary mbola misy fanatsarana tokony entina hoy ny Praiminisitra mikasika ny fiatrehana ny valanaretina aminâny faritra Boeny, nandritra ny fandalovany tao Mahajanga.
Eo aminâny lafiny sosialy kosa dia apetraka aminâny toerana maro ny âTsena moraâ mba tsy hisianâny fikorontanana sy ny filaharam-be hisoroana ny mety hiparitahanâny valanaretina sy ho fanamaivanana ny vahoaka.
Mikasika ny fifamoivoizana indray kosa dia, sahala aminâny fitaterana an-tanety ihany, mitsahatra ny fifamoivoizana an-dranomasina ankoatra ireo mitondra entana.
Nangonin'i Jeannot Ramambazafy
Sary : Seraseran'ny Primatiora Mahazoarivo