FAMPITAM-BAOVAO
10 aprily 2020 - Namory ireo tomponâandraikitra isan-tsokajiny eo anivonâny faritra Matsiatra Ambony, izay natao tao aminâny renivohi-paritra ao Fianarantsoa ny Praiminisitra, Lehibenâny governemanta, Ntsay Christian, niaraka tamina mpikambana maromaro ao aminâny governemanta, ka nifandinika taminâizy ireo mikasika ny fiatrehana ny ady aminâny valanâaretina Corona virus.
Mazava ny hafatry ny Praiminisitra, dia ny tokony hanehoana ny soatoavina Malagasy manoloana izao ady iombonantsika izao, ka hanamafisana ny fihavanana sy ny fifanajana ho anâny tombontsoanâny rehetra. Nohazavainâny Praiminisitra fa nanapa-kevitra ny hiditra aminâny fahamehana ara-pahasalamana na âĂ©tat dâurgence sanitaireâ ny fitondram-panjakana hifehezana ny fihanakâio valanâaretina io, ary ho fitsinjovana ny mpiara-belona sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo.
Ao anatinâizany, hoy izy, dia ezahina hatrany ny hanatsarana ny fandriampahalemana mba hiatrehanâny vahoaka ny fahamehana ao anatinâny fitoniana. Nomarihiny fa nomena toromarika manokana ireo tomponâandraikitra eny anivonâny Fitsarana sy ireo mpitandro ny filaminana, hijery akaiky izay tena laharam-pahamehana manoloana izao vanim-potoana manokana eto aminâny firenena izao.
Nanditra ny dinika arakâasa dia notsiahivinâny Praiminisitra ireo fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana manerana anâi Madagasikara, ary nitondrany fanazavana manokana ny aminâireo fepetra noraisina ho anâny faritra efa ahitana olona mitondra ny valanâaretina, indrindra ho anâity tapa-bolana faharoa anatanterahana ny fijanonana an-trano na ny fihibohana ity :
- eo aminâny lafiny ara-toe-karena ohatra, dia asiana ny fiandrasan-draharaha (service minimum) hampiodinana ny asam-panjakana; miezaka ny orinasa Jirama mba tsy hisy ny fahatapahanâny jiro sy ny rano;
- atsahatra aloha ny fitakianâny âCnapsâ ny latsakemboka aminâny mpampiasa sy ny mpiasa; ajanona ny fitakiana ny handoavana ny haba sy ny hetra, saingy mitohy ny fanambaran-ketra ataonâny mpandoa hetra;
- ferana tsy hitaky trosa ireo banky sy orinasa mpampindram-bola.
Hisitraka anâireo fepetra ireo avokoa ny orinasa rehetra, hoy ihany ny Praiminisitra, saingy takiana aminâizy ireo kosa ny fandoavana ara-potoana ny karamanâny mpiasa ao aminy, ary ny tsy hisianâny fandroahana na fampihenana ny isanâny mpiasa nohonâny tranga fahaterena ara-toe-karena.
Eo aminâny lafiny ara-tsosialy indray dia nanambara ny Praiminisitra fa hitondra âPlan dâurgence socialeâ, araka ny toromarika avy aminâny Filohanâny Repoblika, ny fitondram-panjakana.
Izany moa dia hisandrahaka amina sehatra maromaro, ka hahitana ny âVatsy tsinjoâ izay fanampiana ho anâireo tena marefo, ary tsy hizahĂ na tavanâolona ny fizarana anâizany; hahitana ihany koa ny famatsiana rano fisotro madio; hahakasika ny fanabeazana; ary eo aminâny lafiny fahasalamana manokana dia efa mandeha ny fizarĂ na aron-tava (cache bouche) ho anâireo izay mifanerasera aminâolona maro.
Â
Notsindrianâny Praiminisitra, eo aminâny izay lafiny fahasalamana izay, fa ho ezahina ny hanatsarana ny âplateaux techniquesâ aminâireo hopitaly mandray ny olona mitondra ny tsimokâaretina na ireo mitondra ny soritrâaretina, ka laharam-pahamehana ny fampitaovana ireo sampandraharaha famelomanâaina na âunitĂ© de rĂ©animationâ, ary tafiditra ao anatinâizany ny fitaovana ahafahana mivezivezy sy miara-miasa aminâny mpitandro ny filaminana.
Â
Nambaranâny Praiminisitra ary fa anisanâny faritra voakasikâireo fepetra rehetra voalaza ireo i Fianarantsoa sy ny distrikanâi Lalangina, ka hatsangana ao ny komity âloharanoâ, izay rafitra avy eny ifotony, ahitana mpikambana enina, tena olo-marina sy tia tanindrazana ary manana traikefa. Izany dia mba hahafahanâireo vahoaka misitraka avy hatrany ny fanohanana avy aminâny fitondram-panjakana.
Marihina, hoy ny Praiminisitra, fa hanampy aminâny fitiliana ireo olona ahiana ho mitondra ny valanâaretina covid-19, ary hanampy aminâny fanentanana hampanjakĂ na ny fahamarinana eto aminâny firenena ireo mpikambana ao aminâny âLoharanoâ ireo.
Â
Nampahafantariny koa fa hotanterahina eo ambany fitarihanâny minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, ary ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra, ny fitarihana ny fandraisana an-tanana maika ny sosialim-bahoaka, ohatra aminâizany ny âVatsy tsinjoâ isaky ny fokontany.
Â
Teo am-pamaranana dia naneho fankasitrahana sy fisaorana ho anâireo tomponâandraikitra isan-tsokajiny, manoloana ny ezaka sy ny fanarahana ny toromarika izay napetraka, ny Praiminisitra, ary nanentana anâireo Benâny tanĂ na sy Lehibenâny distrika mba hifanome tanana aminâizao fanarenana atrehina izao.
Ny Seraseranâny Primatiora