Ny fototry ny olana eo anivonâny fifandraisana iraisampirenena hatraminâizay ka hatraminâizao, efa 100 taona mahery izao, ka azo ambara fa antony nampipoaka ny Ady Lehibe voalohany (1914-1918) sy ny Ady Lehibe faharoa (1939-1945) dia ny olana ara-toekarena sy olana ara-tafika. Mandrakariva mantsy dia izay tomponâny fahefana ara-bola no mibaiko ka tomponâny fahefana ara-politika, ary izay manana ny hery ara-tafika no tsy maintsy iankohofana.
Aminâizao fotoana, resahina ny hoe âmiatrika ady izao tontolo izaoâ aminâny fisianâny aretina âCovid 19â. Tena ady io ary nihevitra ny firenen-dehibe hatrany ampanombohanâizy io fa irika iray hanavaozan-dry zareo ny rafitra iraisampirenena indray ny aorianâizao ady aminâny âCovid 19â izao, na ilay antsoina hoe ânouvel ordre Ă©conomique mondialâ. Misy mihitsy aza moa ny vokatry ny fanadihadianâny mpanara-maso sasany hoe âna ilay aretina Covid 19 aza dia ry zareo firenen-dehibe tandrefana no namorona azy mba hamonoana ny toekarena sinoa satria tsy zakanâny sainâny tandrefana ary tsy levonâny vavonin-dry zareo ny hahalasa anâi Shina ho firenena mitana ny laharana voalohany ara-tanjaka ara-toekarena atsy ho atsyâ.
Itodiho ange ny zava-nisy fa vao nitranga io aretina io dia nataonâny fampalalam-baovao tandrefana totoafo ny fanasongadina azy fa hoe âloza mananontanona anâizao tontolo izao i Shina noho io aretina ioâ e! Dia noraisin-dry zareo tandrefana haingana ny fepetra rehetra hanokana-monina anâi Shina mba hahapotika azy ara-toekarena. Raha ny tokony ho izy sy raha ny lojikany dia tokony ho nirazotra taminâizany ny fihazakazaky ny fandraisanâny firenena tandrefana ny fepetra hiarovana tena tsy hidiranâio aretina io tany aminy, saingy ny zava-misy no manaporofo fa efa miverina aminâny laoniny ny fiainanâny vahoaka sinoa izao ary efa manomboka manarina ny toekarenany ry zareo fa ny tandrefana no mbola tsy afa-bela aminâny Covid 19.
Ny Gazety Telonohorefy taminâireny volana febroary ireny dia efa nanipika fa âmainâny afo natsangany ny firenen-dehibe tandrefanaâ. Dia mitady ny fomba rehetra hampisongadinana ny tenany ny firenena tandrefana aminâizao fotoana, ka isanâizany ny fiheveran-dry zareo fa tsy maintsy ny voka-pikarohana hitanâny manam-pahaizana avy any amin-dry zareo no hitondra fanafana aminâio aretina io sy ho fototry ny fanefitra aminâizy io. Nanokam-bola hatraminâny 7.000 tapitrisa dolara (7 Miliara dolara) mihitsy moa ry zareo, hono, hikarakarana ny hetsika rehetra hahitana anâizany fanefitra sy fanafodinâny Covid 19 izany. Eo ihany ny fitadiavana fanafody sy fanefitra fa ny tena tanjona dia ny tombom-barotra ho azon-dry zalahy rehefa hita izany. Ry zarero sinoa dia azo antoka fa efa nahita ny fanafodinâizy io fa mody mangina satria efa tsinjon-dry zareo ny tetika malotonâny tandrefana. Izay mahasoa ny vahoaka sinoa no imasoany aloha hatreto.
Tsy zakanâny sainâny tandrefana tena ary azo ambara fa mahalasa adala an-dry zareo ny nandre fa ny manam-pahaizana siatifika sy mpikaroka Malagasy dia nahita ny tambavy CVO ho fisakanana ny handairanâny Covid 19 ao anatinâny tenanâolombelona sy fanafody hanasitranana ny tratranâio aretina io. Marary mihitsy ny sainâny tandrefana satria ho maty momoka ny volabe 7.000 tapitrisa dolara mahery hoenti-manana ny fikarohana ny fanefitra sy ny fanafodinâizy io, raha hahita. Tsarovy fa ny fanakananâny tandrefana ny fampiasana ny fanafody âchloroquineâ nanaovanâny Pr Raoult fikarohana ange ka mbola tafiditra ao anatinâizany tetika malotonâny tandrefana mba hanaovany ampihimamba ny tombontsoa goavana ao anatinâizao ady goavana aminâny Covid 19 izao e! Ampitahao fotsiny, ohatra, ny isanâny olona matinâity Covid 19 ity any aminâireo faritany isan-tokony any Frantsa fa ny any Marseille no vitsy indrindra. Nahoana? Satria any Marseille no misy ny foibe iasanâny Pr Raoult izay mivoy ny maha-vahaolana ny âchloroquineâ.
Hitanâny manam-pahaizana sy ny mpikaroka Malagasy Ă ry ny Tambavy Covid Organics na âCVOâ. Mirohotra mankaty Madagasikara ny mpitondra fanjakana afrikana mitady vonjy. Dia mihazakazaka koa ny fianakaviambe iraisampirenena eo ambany vahohonâny firenen-dehibe tandrefana miezaka mampihorohoro anâizao tontolo izao mba tsy ho sodokanâny Tambavy CVO avy aty Madagasikara. Matahotra ny ho very tombontsoa ry zareo satria efa namoaka volabe 7.000 tapitrisa dolara sy miandrandra tombom-barotra tsy hita noanoa aminâizay vokatrâizany. Dia indro fa ampiasainâny tandrefana ireo rafitra isan-tsokajiny mba hisakanana ny fampiasana ny Tambavy CVO. Niatomboka taminâireo teratany Malagasy tsy mankasitraka ny fitondram-panjakana tarihin-dRajoelina eto an-toerana sy any ampita izany. Ohatranâny hoe i Andry Rajoelina no nahita anâio tambavy CVO io ka poteho.
Toa tsy tsapanâireny Malagasy sasany ireny fa ny voninahi-pirenena Malagasy sy i Madagasikara no misongadina avy aminâny fahitana anâio Tambavy CVO io. Dia nahetsiky ny firenen-dehibe tandrefana koa ny rafitra toy ny Vondrona Afrikana (Union Africaine) ka mody hoe âmaka toky sy manao fanadihadiana ary nanontany ny masoivohom-panjakana Malagasy eo anivonâny Vondrona Afrikana ry zareo mba hanome ny taharo sy ny singa nanaovana anâio Tambavy CVO io ary ny tsiambaratelony, sy ny dingana rehetra efa vita momba azy io. Dia indro koa fa nohetsehina ny rafitry ny Vondronâireo firenena Afrikana tandrefana (Cedeao) ka nasaina niteny fa âtsy izahay Vondronâny firenena afrikana tandrefana no nangataka anâio Tambavy CVO io tany Madagasikara.
Maromaro taminâireo firenena afrikana ao anatinâio vondrona io mantsy no nihazakazaka naka anâio Tambavy io taty Madagasikara ka ny fitondram-panjakana tany aminâizy ireny mihitsy no nandefa iraka sy fiaramanidina manokana nankaty Madagasikara. Mifanindran-dalana aminâizany, efa manao ny fomba rehetra (ambadika) andrahonana anâireo filohampirenena afrikana koa ny Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ka milaza fa âhotapahinay ny famatsiam-bola fanome anareo raha maka anâio Tambavy CVO io any Madagasikara ianareoâ. Iza moa no tena mpibaiko ao aminâny âOMSâ, hoy ianao? Ny firenen-dehibe Tandrefana, toa anâi Etazonia sy i Eraopa.
Rehefa itodihana ny tantara dia isanâny mbola tsy levona ao aminâny fisainanâireo firenen-dehibe ny vokatry ny hetsi-bahoaka teto Madagasikara taminâny 2009, ka mbola izao ampiasain-dry zareo izao indray ireo rafitra nentina namotehana ny hetsi-bahoaka teto hatrizay. Efa nambaranay teto fa mila mailo isika fa na ny Ivon-toerana IMRA aza dia tsy maintsy iaraha-miaro sao potehinâireo tandrefana ireo aminâny fomba isan-karazany satria ny IMRA no nahita anâio Tambavy CVO io.
Aminâizao fotoana dia ny fifofoana aina mihitsy no mety hitranga, ka ny ainâny filoha Rajoelina no voalohany mety hoesorin-dry zalahy satria manohintohina ny tombontsoa ara-bolanâny tandrefana ny Tambavy CVO, ary ny filoha Rajoelina mihitsy no mijoro mitarika ny fanentanana ny fampiasana azy io, ary lasa mahazo vahana any ampita rehetra any. Mila mailo isika Malagasy, na inona tsy ifankahazoantsika ara-kevitra amin-dRajoelina na inona, na inona tsy itiavantsika azy na inona, aza hadinoina fa endriky ny fitiavan-tanindrazana ny fiarovana ny zava-bitanâny manampahaizana Malagasy toa io Tambavy CVO io, indrindra fa efa hita porofo ny fahombiazany, ka aoka re, haneho firaisan-kina isika hiara-miaro izany zava-bitanâny malagasy izany.
Ralay â "La Gazette de la Grande Ăźle", 11.08.2020
Â