]
Les quotidiens du 17 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antsakarivo Vahiniala. Kabarin’ny Rtoa Volanirina Razakamanana mikasika ilay Tetik’asa tohana fizahana ny fahasalamam-bahoaka

Antsakarivo Vahiniala. Kabarin’ny Rtoa Volanirina Razakamanana mikasika ilay Tetik’asa tohana fizahana ny fahasalamam-bahoaka

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Manatitra ny fiarahabana ombam-pirariantsoa ho antsika ny tenanako.

Ho anareo rehetra olo-manakaja tonga manotrona izao fotoana izao sy ianareo namana mpanao gazety.

Ezaka mifanindry an-dàlana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahatomombanan’ny fahasalamam-bahoaka,

Eny, ny fotodrafitrasa toy izao hatsangana izao dia, mifanaraka indrindra amin’ny fanantanterahana ny Velirano faha-dimin’ny Filoham-pirenena : « Fahasalamana ho an’ny rehetra ». Satria tokoa mantsy, manome ny fahafahana ho an’ny rehetra ahazo fitsaboana na dia toerana lavitry ny tanàn-dehibe izany.


Ambolomankajarivo, 14 marsa 2021, fankalazana ny Taom-vaovao Malagasy sy Fitokanana ny Ivotoeram-piofanana “SOA*MAHAMANINA” (Vidéo eto)

Ka noho izany indrindra no manosika ny Fikambanana DEFI Madagascar hikolokolo ihany koa ny sehatra ara-pahasalamana ifotony, indrindra ho any reny sy ny zaza.

Ao anatin’izany toeram-pizaham-pahasalamana izany dia hahitan-tsika:

- Efitra Fiterahana

- Efitra Fitsaboana nify

- Toerana ivarotam-panafody ary koa ny akora fitsaboana toy ny raokandro malagasy

- Efitra Fitiliana fahasalamana amin’ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisan-davitra.

Mihezaka isika manome lanja ny fitsaboana miainga amin’ireo akora natoraly. Manankarena tokoa i Madagasikara noho ireo zava-maniry maro ao aminy, indrindra ireo raokandro izay tsy ho voatanisa eto.

Ato anatin’izao fotoana iadiana amin’ny valan’aretina coronaviuus izao dia singa entina mamongotra sy aro fiarovana ho antsika ny Artemisia misy ao amin’ny CVO+ sy ireo menaka fanosotra toy ny Baume FOSA, ny evoka amin’ny ravin-kininim-potsy, sns.

Midika izany fa tokony hivelatra tokoa ny seha-pikarohana sy ny fitsaboana manakaiky ny vahoaka, amin’ny alalan’ny famokarana ireny akora fototra ireny izay vokatry ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny ala ihany koa.



Ny Ivotoeram-piofanana “SOA*MAHAMANINA” dia manofana ireo tanora miantsehatra amin’ny asa tao-trano ihany koa. Hanome lanja ny fiofanana ny famitana izao fotodrafitsasa vaovao izao satria dia ny tanora miofana no hanao ny asa tao-trano voalohany (“travaux gros oeuvres”) manangana sy mandrafitra rehetra hatramin’ny fanamboarana ny tafo. Ny Fondation VISEO kosa dia hamatsy ny akora famaranana ny asa (“fournitures des matériaux des travaux de finition”) ary hamatsy ara-bola ny karama ho fanatontosana ny Ivotoerana Centre de Santé Fondation VISEO.

Ny Orinasa MEDITEK izay mpamatsy ara-pitaovana medikaly ny Hopitaly eto Madagasikara dia ankasitrahana noho ny tolo-tànana nomeny ka hamatsiana fitaovana manara-penitra ity ho toeram-pitsaboana mirindra si harifomba ity.

Entoana dia mankasitraka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay nametraka ny Vina arahin’asa ka mba handraisan-tsika anjara mavitrika eo amin’ny fanarenana ity firenena malalatsika ity.



Misaotra indrindra ihany koa ny mpitantana rehetra sy mpanorina ny Fondation VISEO, ny orinasa MEDITEK ary ny Groupe Jean Claude Ratsimivony/VANIALA, ny fikambanana DEFI Madagascar sy ny mponina eny ifotony, indrindra ny “Vohitra Misandratra Ambolomanjakarivo”, amin’ny fitondrany ny anjara birikiny amin’izao Tetik’asa tohana fizahana ny fahasalamam-bahoaka izao na «Centre de santé Communautaire Fondation VISEO izao», izay ho tontosaina tsy ho ela eo amin’ny Vohitra MISANDRATRA Ambolomanjakarivo.

Ankavia miankavanana : Richad Goulzaraly, Volanirina Razakamanana, Patrick Rajoelina, Augustin Andriamananoro, Dr Jean Claude Ratsimivony

Eto am-pamaranana dia teny fankasitrahana no omeka anareo, izay vahiny sy namana, tonga nanome voninahitra izao fotoana androany izao.

Misaotra tompokolahy, mankantelina tompokovavy,

Ho ela velona VOHITRA MISANDRATRA AMBOLOMANJAKARIVO, ho ela Velona ny ivo-toeram-piofanana ny Centre de Santé VISEO.

Jardin Vaniala, Antsakarivo, Talata 23 Marsa 2021

Ramatoa Volanirina RAZAKAMANANA ANDRIAMANANORO

Filohan’ny Fikambanana DEFI Madagascar

Mis à jour ( Mercredi, 24 Mars 2021 11:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024