]
Les quotidiens du 17 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ndriana Ramamonjy. Nantsoin’ny Ray ho any aminy

Ndriana Ramamonjy. Nantsoin’ny Ray ho any aminy

Tonga omaly 31 marsa 2021 ny ora sy andro nandaozany ity tany fandalovana ity fa ho tavela ao am-pon’ny Malagasy maro an’isa sy ny taranany ny asa navelany tety.

Na tiana na tsia dia taitra ihany isika rehetra rehefa nahare ny fahalasan’i Ndriana Ramamonjy. Marina fa nandeha ny feo fa tsy salama izy. Fa niafara tamin’ny fodiany mandry izany.

Zandriko 3 taona izy satria raha 6 aogositra 1954 aho no teraka, izy kosa dia ny 13 janoary 1957 no tonga tety an-tany. Ary nandritra ny fivahiniany dia olona tsotra sy tsy be sehoseho mihitsy izy.

Ny mahavariana dia ity : tsy dia nifampiresaka firy mihitsy izahay mirahalahy fa isaky ny misy tranga lehibe eto amin’ny firenena, na fifaliana io na fahoriana, indrindra indrindra, dia teo foana izy ary anisan’ny mpanentana sy mpitendry clavier hatrany.

Nanomboka ny taona 1990 tany no fantatra ny anarany satria izy dia mpamorona hira ara-pilantsara (“chansons évangéliques”). Ka ny hirany dia ry Fara Andriamamonjy sy Hantatiana no namelona azy tamboalohany.

Taty aoriana dia natsangany ny hoe “Tarika Ndriana Ramamonjy” ary efa enina (6) be izao ny raki-kira novokariny. Midika izany fa maro dia maro ny sangan’asany hirain’ny mpivavaka kristianina hatreny am-piangonana ary maro koa anefa no tsy mahalala fa izy Ndriana Ramamonjy no namorona ny tonony sy ny feon’izy ireny.

Io manaraka io ary misy hafatra avy any aminy izay hitoetra mandrakizay, ary izy handry am-piadanana mandrapihavian’ny Tompo, araka ny finoana kristianina.

Amin’ny anaran’ny mpiara-miasa ao aminy madagate dia maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Ndriana Ramamonjy tsy ankanavaka, ny tenako.

Nahoana tokoa, lahy, raha tena mifankatia ny samy Malagasy ?

Jeannot Ramambazafy

........................

MIFANKATIAVA

Tamin'ny fo no tena ninoanay

Fa Jesosy no tonga hamonjy anay

Tamin'ny vava no tena nanekenay

Fa ny ràny no nanadio anay

Vavaky ny Tompo (mampiray)

Fanahy izay nomeny (mampiray)

Fanahy, Fitiavana koa ny Ray

Nahoana lahy raha Mifankatia

“Mifankatiava hoy ny Tompo,

f'izany no hamantaran'ny olona rehetra,

Fa Mpianatro ianareo"

Tsy iray finoana, f'iray ao Aminao

Tsy iray fihaviana,f'iray an-dapanao

Tsy iray fiteny, fa samy henoinao

Tsy iray fihodirana,fa samy zanakao.

Vavaky ny Tompo...

Ndriana RAMAMONJY

Mis à jour ( Jeudi, 01 Avril 2021 08:13 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024