Tena raharaha tokoa no nitranga tao aminâny orinasa Ambatovy ny 18 Mey 2020. Nodimandry mantsy ny mpiasa mizaka zom-pirenena filipianina. Ary tena lavonâny Covid-19 izy, tompoko. Teo vao tena taitra ny rehetra. Izahay mpanao gazety moa dia miaraka miombona alahelo aminâny fianakavianâi Ryan sy aminâireo mpiara-miasa aminy ary ny mpampiasa azy. Fa fantatreo marina ve inona izany hoe orinasa Ambatovy izany ? Tantara tokoa. Andao ary.
Ny taona 1911, izany hoe tao anatinâny fanjanahantany no fantatra fa manana nikela ny Nosy malagasy, araka ny fikaroanâny « Syndicat Minier de Madagascar » taminâizany fotoana izany.
Rehefa tonga ny fiverenanâny « fahaleovantenan âi Madagasikara », ny taona 1960, dia hitanâizany « Service gĂ©ologique de Madagascar » izany fa ao Ambatovy sy Analamay no tena misy nikela be indrindra. Nanomboka teo ka hatraminâizao dia toa zary saribakoly malagasy eo am-pelatananâny vazaha ny BRGM (« Bureau de recherches gĂ©ologique et miniĂšre de Madagascar »). Nisy aloha izany « Syndicat de Moramanga » izany ka izao avy no nandrafitra azy io : BRGM : 85% ; Ugine: 15%. Nandeha ny volana, nifandimby ny taonafa dia nanjavona tsy hita tabilao intsony io BRGM io. Ny taona 1969 ka hatraminâny taona 1997 dia ireto avy ny orinasa nifandimby eo aminâny « fikaroana » mikasika ny nikela eto Madagasikara : UGINE Kuhlmann, Pechiney, SLN, ACC sy COFIMER, Omnimines. Io taona 1969 no nahafantarana fa maharitra 40 taona ny tahiry nikela ao Ambatovy sy Analamay.
Nisy fotoana nitsangananâizany « Groupement dâEtude de Nickel de Moramanga » (GENIM) izany, izay nivondronanâny UGINE Kuhlmann (31%), Orinasa « Le Nickel » (31%), Anglo-American (21%), BRGM (9%) sy COFIMER (4%) ary Omnimines (4%). Nihena toa fenâantitra izany ny Malagasy⊠Teo anelanelanâizany anefa, ny taona 1979, dia nisy Koreana avy any avaratra (taminâny andronâi Kim il Sung) na navela nanondrana nikela milanja 2.000 taonina. Ahoana daholo ny mikasika ny vola aminâizany ? Afaka manazava ve ny Amiraly Didier Ratsiraka ? Sa « rano latsaka » dia vita ?...
Teo anelanelanâny taona 1994 sy 1998 dia niditra an-tsehatra ny orinasa Phelps Dodge Madagascar SARL (PDM). Ary dia nandavaka tao Ambatovy sy Analamay izy io nafahana nahalala fa misy akora nikela 83 tapitrisa taonina ao aminâireo toerana ireo. Tampoka teo anefa, ny taona 1999, dia nahantonâny fitondrana taminâizany ny asanâny PDM ary dia namoaka lalĂ na vaovao mifehy ny fitrandrahana harena an-kibonâny tany aminâizay mety ho endriny rehetra ny Fanjakana Malagasy. Ny asa rehetra fikaroana moa dia Malagasy ny ankamaroany. Ny marina dia herinâny sandry no tena niasa⊠Fa iza marina ny Malagasy nanana petra-bola tao aminâny PDM ? TSy maintsy nisy izany.
Ny taona 2002 ary dia nanomboka nanan-kery ny LGIM na « Loi sur les Grands Investissements Miniers ». Io lalĂ na io no miantoka ny fahamarinantoerana aminâny lafiny lalĂ na sy mampirisika ireo fampiasam-bola eto Madagasikara. Anisanâny « tombonsoa » ho anâny Malagasy ny tsy maintsy hampidirana mpiasa tera-tany eto an-toerana. Rehefa misy moa ny lalĂ na dia misy aminâizay ny atao hoe « cadre dâaction ». Anisanâizany ny fanomezana fahazoan-dĂ lana na « permis » isan-karazany ary andoavam-bola aminâny fanjakana izany. Tsy ho takatry ny maro anâisa ny fomba fomba aminâizany aloha fa izao ny zava-nisy :
Natambatra ho fahazoan-dĂ lana iray ihany ireo fahazoan-dĂ lana hanao asam-pikarohana azonâAmbatovy. Mitondra ny anarany hoe Permis 459 izy ioka mahakasina velarantany mirefy 14.375 hektara. Ngeza makadiry anie izany ry zalahy an ! Nipoitra indray ary ny orinasa PDM ary nitambatra taminâizany Dynatec Corporation (Canada) izany izay nanana ny 53%-ny velarantaninâny Ambatovy. Izy ireo no lasa hoe Dynatec Madagascar SARL (DMSA), ary mino isika fa nisy Malagasy nanana petra-bola tao. Ary mino koa isika fa Malagasy manana andraikitra ambony eto aminâny firenenaâŠ
Ny fiovanâny orinasa momba ny nikela eto Madagasikara dia tena mahavarina tokoa. Fa ny tantara tsy azo foronina. Nandritra ny telo taona dia « niasa mafy tokoa ny DMSA «nanatanteraka ny fandavahana ho aminâny fikarohana, fanadihadiana feno momba ny fetezanâny fitrandrahana ary fanadihadiana aminâny antsipirihany ny mety ho fiantraikanâny Tetikasa aminâny tontolo iainana sy ny sĂŽsialy ».  Teo anelanelanâizany anefa, novidianâi Dynatec taminâi PDM ny 47% ambinâny orinasa Ambatovy, ka 1,8 tapitrisa dĂŽlara amerikana no nahazoany azy. Novidianâi Sumitomo Corporation, orinasa avy any Japon, ny 25%-nâny Tetikasa, ary anâi Dynatec kosa ny 75% ambiny. Fa iza marina ireo tena tomponâio tetikasa Ambatovy io ? Tonga ny taona 2006.
Nomenâny fitondrana Marc Ravalomanana fahazoan-dĂ lana hitrandraka mandritra ny 40 taona ny Tetikasa. Manana petra-bola aminâizany ve i Dada ?... Asa aloha fa ny Dynatec no mpitantana ny tetikasa teo ary tomponâny 45%-nâny orinasa. Nidina 40% anefa izany rehefa azonâny orinasa SNC-Lavalin Group Inc. (SLI) ny 5%-ny. Niverina ny Koreana fa avy ao atsimo indray, taminâny alalanâny Korea Resources Corporation (KORES) lasa mpametra-bola mitana ny 27,5%-nâny orinasa, ary koa ny Japonay Sumitomo Corporation, manana petra-bola 27,5% ihany koa. Rehefa nomenâny Office National pour lâEnvironnement (ONE) fahazoan-dĂ lana ara-tontolo iainana (« permis environnemental ») dia ny orisana SLI no nahazo ny fifanarahana ho fanatanterahana ny asa fanorenana fotodrafitra rehetra sy ny fampitaovana ary ny fitantanana ny asa fanorenana ho anâAmbatovy.
Taona 2007. Io no taona azolazaina fa niantomboanâny maha Ambatovy anâAmbatovy ary teo ambanâny fitondrana Ravalomanana hatrany. Nahazo ny fankatoavana avy aminâny Fanjakana Malagasy aminâny fidirany aminâny LGIM Ambatovy. Nanomboka ny asa fanarenan-tany. Novidianâny Sherritt International Corporation (Canada) 1,7 miliara dĂŽlara amerikana ny Orinasa Dynatec. Nafindra taminâi Sheritt avokoa ny anjaranâi Dynatec ka lasa mpitantana ny Tetikasa nanomboka teo i Sherritt. Ny 7 Novambra 2007 no nisokatra taminâny fomba ĂŽfisialy tao aminâny Faritry ny ozinina ny fiantombohanâny fotoam-panorenana ny fotodrafitrasa. Taminâizany dia efa nampiasa olona miisa Nampiasa olona mihoatra ny 12.000 ny Ambatovy.
Na tiana na tsy tiana aloha dia tsy anâny Malagasy intsony io ampahan-tany misy anâAmbatovy io, izay ao aminâny faritra Alaotra Mangoro. Ary tsy nikela ihany no trandrahana ao fa kobalta koa. Araka ny voalaza ao aminâny wikipedia dia tafiditra ao aminâny « Bourse des MĂ©taux » (Tsenam-barotry ny Vy) ao Londres ny vokatra nikela ao Ambatovy, nanomboka ny 2015. Teo alohanâizay dia tsara ho tadidiana fa ny taona 2012 no nahazo fahazoan-dĂ lana hamokatra (« permis dâexploitation ») ity orinasa ity nafahany nandefa ny sambo voalohany niainga ho any aminâny tsena iraisampirenena nitondra ny nikela novokariny. Nanomboka teo, ny vola miditra ao aminy isan-taona, na ilay hoe « chiffre dâaffaires », dia mahatratra 5 lavitrisa (5 milliards) dĂŽlara amerikana. Vola anie izany ry zareo a ! Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2014 ny fanondranana ofisialy ny vokatra misy ao Ambatovy.
Aminâizao taona 2020 izao dia ireto no fantatra fa tena manana petra-bola (« actionnaires ») be indrindra ao aminâny orinasa Ambatovy : Sheritt International Corporation (Canada), petra-bola : 12% (40% taminâny niantomboany) Sumitomo Corporation (Japon), petra-bola : 47,7% (27,5% teo aloha) ary ny Korea Resources Corporation na KORES (CorĂ©e Atsimo), petra-bola : 27,5% Dia miseho ny tsy mangarahara satria raha totalina ireo dia manome 87,2% izany. Ka aiza ary iza no manana na/sy tomponâny 12,8% ambiny ? Ny vy koa tsy mikitrana irery. Satria nahoana ? Fantrao ary fa ny volana marsa teo, izany hoe efa fantatra fa misy io areti-mandoza covid-19 io mandripaka eranâizao tontolo izao, dia nanambara i Sheritt hiala eto Madagasikara izy ka nafindrany aminâireo « actionnaires ny 12%-ny ». « Be trosa », hono no antony izay fialany izay, fa vao maika tsy mazava ilay resaka 12% mahery, sa ahoana hoy ianareo ? Ary nampiany ny fanazavany fa « tsy hisy fiantraikany aminâny famokarana nikela sy Kobalta ny fialany »⊠Tsiahivina fa ny taona 2019 dia namokatra 33.773 taonina ana nickel voadio sy 2.900 taonina ana kobalta voadio ihany koa ny orinasa Ambatovy misy ny toeram-pitrandrahana (« mine ») sy ny toeram-panodinana (« usine » na ozinina) mitambatra. Fantrao koa ary fa misy karazana « tuyau » goavam-be atao hoe « pipe-line » mirefy 220 kilometetra miala avy any aminâny toeram-pitrandrahana (Ambatovy) mipaka ao aminâny ozinina.
Ny tiako ambara dia tsotra : afaka manao izay tiany ny orinasa Ambatovy eto aminâny taninâny Repoblika malagasy. Ary nihevitra fa ananany daholo ny vola, fahefana, fahaizana rehetra ka tsy mila anâiza nâiza ary tsy misy mahazo miditra lalina aminâny fiainany sy ny fomba fitantananâny ao anaty. Inona moa fa karazana âkarazana hoy aho an !- firenena ao anaty firenena. Marina fa voalaza fa 3.000 ny asa mivantana (« emplois directs ») ary 6.000 ny asa tsy mivantana (« emplois indirects ») ka Malagasy daholo ireo. Mamelona tokoa izy ka mamelona satria toa malaza fa « be karama » ny mpiasa ao aminâny orinasa Ambatovy⊠Ny tsy voalaza koa anefa dia nanomboka ny volana avrily 2020 dia nitsahatra ny asa ankapobeny ao. Ny marina aza dia tsy niodina intsony ny ozinina famokarana ka asa fiarovana (« travaux de prĂ©servation ») no any natao. Toa zary nampifandraisanâny tomponâandraikitra eo ny fisintahany moramora sy ny fisianâny covid-19 dia izy indray no ho lasa « victime » (traboina) afahany tsy mandoa ny karamanâireo mpiasa malagasy. Satria taminâny 2 Avrily 2020 dia nanao filazana ny ao Ambatovy fa misy mpiasa telo ao aminy no fantatra fa misy soritrâaretina rehefa avy notiliana, ny 26 marsa. Ary nanambara ihany ry zareo avy eo fa : « salama tsara izy telo ary tsy misy manana ny tsimokâaretina coronavirus ». Nampiana mihitsy aza fa « ny dokoteranâny orinasa no handray an-tĂ nana azy ireo ary ampy tsara ireo fitaovana ara-pahasalamana avo lenta misy ao aminy ».
Fa dia nanomboka nivezivezy niditra sy nivoaka ireo vahiny ao. Ny isanâireo kosa tsy voafaritra mazava fa mety ho latsaky ny 100 ary manana zo-pirenena samihafa : canadiana, koreana, japoney, afrikana isan-karazany, avy any Singapour ary filipianina. Iray aminâireto no lavonâny covid-19 afakomaly dia i Ryan Reyes izay niasa tao nanomboka ny taona 2012, ary tao aminâny « Utilities Department » no nisy azy. Resaka famatsiana entana ilainâny orinasa matiteka. Izany hoe nifanerasera tamina olona maro na tany ivelany na teto an-toerana. Volaza fa ny 11 Mey no voatily fa manana soritrâaretina izy ary saika hoe alefa « évacuation » (aiza anefa ?) fa nodimandry ny 18 Mey teo izy tao aminâilay clinique ISOS -INTERNATIONAL SOS CLINIC- (« clinique mĂ©dicale entiĂšrement Ă©quipĂ©e, dotĂ©e dâun personnel mĂ©dical compĂ©tent ») ao anatinâny faritry ny orinasa Ambatovy ihany. Marihina fa any Singapour ny foibenâio ISOS io. Ny azo antoka dia tsy voatsabo toa ny atao ao aminâireo hopitaly malagasy handefasana ny mararinâny coronavirus ny ao aminâio « clinique » io. Tsy nampiasa chloroquinesy Covid-Organics.
Ny fanontaniana dia ity : raha ohatra izany izy tsy nodimandry dia nalefa aiza ? Ary raha tsy nisy nahalala ny niafarany tao an-toerana, dia ahoana ny mikasika ireo nifanerasera taminy na tao Ambatovy na taty ivelany ? Marihina fa lehilahy no maro anâisa aminâireo vahiny miasa ao Ambatovy ary manana filana izy ireo. Ambatovy dia tsy Toamasina ihany, aza adino, fa ao indrindra i Moramanga.
Ny 7 Mey ny Filoha Andry Rajoelina no nidina tany Toamasina ary nampahatsiahy fa mbola be ireo mpiasa ao aminâny orinasa Ambatovy no fantatra fa miditra sy mivoaka avy ao. Tapaka ny hevitra fa tsy maintsy hatoka-monina (« mise en quarantaine ») ny orinasa Ambatovy, manomboka io 7 Mey 2020 io. Ny marina teny an-toerana anefa dia ny ampitsony, 8 Mey vao namoaka fanambarana ho anâny mpiasany rehetra ny tomponandraikitra ao fa miatra ny fitokana-monina. Ny dikany ? Ny hariva sy ny alina manontolo dia be ireo fivezivezana tsy voafehy⊠Telo andro taty aoriana dia io fa voatily « positif » Itompokolahy Ryan Reyes. Iza marina no manao tandrevaka ?
Ary raha tsy nidina tany an-toerana izany ny Filoha Andry Rajoelina dia aleho tsy eritreretina ny zava-nitranga taminâireo tanĂ na misy aminâiny RN2 iny, manomboka eo Moramanga ka hatrany Toamasina. Satria salama ireo mitondra ny coronavirus (« porteurs sains ») ka rehefa eo aminâny fahasemporana vao ho taitra hanatona dokotera ary dia tara loatra ny hitsaboina azy ireo. Asakasaky ny sasany aloha fa dia misy tokoa Andriamanitra⊠Fa hanakory koa izao ny ho avinâireo mpiasa maro ao aminâny orinasa Ambatovy aorianâny 31 Mey ho avy? Satria sarotra no hilaza hoe rahoviana marina no tena handao antsika tanteraka io covid-19 io ? Ny loza anie dia ity ry zareo a : tsy ny vola no tsy misy fa efa manomboka hisintaka ry zareo ireo dia hanao mody mampalahelo (« victimisation »). Voalaza fa maharitra 29 taona ny fitrandrahana nikela dia ho ritra. Maro izay nalefa any ivelany izay (satria tsy voajerinâny fanjakana ny tena isa marina) ka mino aho fa efa akaiky dia tsy hisy intsony. Ka eo ankatoky ny faha-60 taona niverenanâny Fahaleovantenanâi Madagasikara ve dia mbola ho tompon-trano mionona hatrany ny Malagasy ?
Raha izao no fandehan-javatra dia mety toa ao Ambatovy ao koa ny fomba misy any aminâny faritra atsimo any izay misy mitrandraka fasi-mainty⊠Tsy mahazo mijery ny ao anatiny ny fanjakana malagasy. Hiandry voina toa izao misy ao Ambatovy koa ve izany vao hanao fanadiadiana (« enquĂȘtes ») raha hanao koa ?
Sary nalaina tamin'ity volana Mey 2020 ity
Fa raha resahina ny hoe Malagasy samy Malagasy fotsiny sy orinasa goavana malagasy manana ny maha izy ihany azy dia mampahonena ny manjo ireo mpiasa ao aminâny Kraomita Malagasy na koa KRAOMA. Tena adinonâny mpitondra ankehitriny tokoa nefa efa amam-bolana no tsy naharay karama ary inona moa no vatsy ho azony eo ? Angaha misy coronavirus any ? Dia asa loatra isika Malagasy. Fa tena tsy mba nasianâny minisitra mpiahy, Fidiniavo Ravokatra, mihitsy ny momba io orinasa potika tanteraka io. Ny volana Febroary teo izy no mba nitondra vatsy tany Brieville ary sady nandrahona no nanome toky izay fitaka ihany hatreto⊠Mbola ho avy ve ilay maraina, araka ny hiranâny JerĂŽme Randria ? Very fanahy mbola velona aloha izao ny mpiasa ao izay voatery mivarotra ny fananany mba ho velona. Iza moa no hitsinjo eo moa?
Marihiko fa ireo rehetra voasoratra ireo dia tsy tantara valamaty toa ny anâny sasany akory fa azonâny rehetra jerena ao aminâny Internet, rehefa tena mahay mikaroka.
Jeannot Ramambazafy - Dosie nivoaka ao amin'ny "La Gazette de la Grande Ăźle", ny Alarobia 20 Mey 2020 ihany koa