Raha ny marina dia tokony niompana rano iray taminâingahy Rivo Rakotovao, Filohanâny Antenimieran-doholona tsy nofidiana fa notendrenâny Filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, ny lahatsoratro androany Sabotsy 12 Septambra 2020. Kanefa moa rehefa niverina namaky ny Lalampanorenanâny Repoblika faha-4 aho ka nahatadidy ny hoe «fitarainan»âireo Loholona notarihinâingahy Mamitiana FabergĂ© Gabriel, teny aminâny HCC (fa nankaiza daholo koa ny Hvm sasany taminâio ora nidona io ?), dia tapaka ny hevitro fa habaribariko eto ny tsy fahampiana solaitranâireo Loholona miseho azy mahay sy manaja lalĂ na kanefa tena tsy misy azony mihitsy ny dikanâny voasoratra ao aminâny Lalampanorenena. Ity ary misy porofo tsy azo ivalozana fa dia ho very maina sy sasatry ny voanâny ataony hatrany ireo « olo-kendry » ivelany fotsiny ihany.
Ny Alatsinainy 07 Septambra 2020 dia nisy solotenanâny Loholonâi Madagasikara notarihanâingahy Mamitiana FabergĂ© Gabriel tonga teny aminâny Fitsarana Avo mombanâny Lalampanorenana (HCC) etsy Ambohidahy Antananarivo. Ny antonâny nahatongavana tao dia ny « fanaterana taratasy mombanâny fitoriana ny tsy fanarahan-dalĂ na taminâny fepetra narahina mahakasika ny « texte Ă valeur lĂ©gislative » araka ny voalaza ao aminâny andininy faha-118 ny Lalampanorenana ». Tena tsy afaka nadika teny malagasy ve aloha ilay hoe teny frantsay mipoapoaka « texte Ă valeur lĂ©gislative » sy ny voalazanâio andininy faha-118 ao aminâny Lalampanorenana io ? Efa fanabadoana ny vahoka ny fomba toa izany. Ka tsy asian-tsika resabe fa ity manaraka ity aloha izany andininy faha-118 manontolo izany aminâny teny frantsay :
Article 118. Un Chef d'Institution ou le quart des membres composant l'une des Assemblées parlementaires ou les organes des Collectivités Territoriales Décentralisées ou le Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l'Etat de droit peuvent déférer à la Cour Constitutionnelle, pour contrÎle de constitutionnalité, tout texte à valeur législative ou réglementaire ainsi que toutes matiÚres relevant de sa compétence.
Si, devant une juridiction, une partie soulÚve une exception d'inconstitutionnalité, cette juridiction sursoit à statuer et saisit la Haute Cour Constitutionnelle qui statue dans le délai d'un mois.
De mĂȘme, si devant juridiction, une partie soutient qu'une disposition de texte lĂ©gislatif ou rĂ©glementaire porte atteinte Ă ses droits fondamentaux reconnus par la Constitution, cette juridiction sursoit Ă statuer dans les mĂȘmes conditions qu'Ă l'alinĂ©a prĂ©cĂ©dent.
Une disposition dĂ©clarĂ©e inconstitutionnelle cesse de plein droit d'ĂȘtre en vigueur.
La décision de la Haute Cour Constitutionnelle est publiée au Journal officiel./.
Maro ireo Malagasy tsy hahafehy izany teny frantsay rehetra izany. Ka dia ity indray ary ny dikan-teny malagasy ofisialinâizany andininy faha-118 izany,
Andaniny 118. Ny Lehibenâny Andrimpanjakana na ny ampahaefatry ny mpikambana ao aminâny iray aminâireo Antenimiera roa tonta na ny rantsamangaika ao aminâny Vondrom-bahoakamparitra Itsinjaram-pahefana na ny Filankevitra Ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalĂ na dia afaka mandroso rijan-teny miendrika lalĂ na na fitsipika, ary koa izay rehetra anton-javatra tafiditra aminâny fahefanâny Fisarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana mba hohamarinina ny fifanarahany aminâny LalĂ mpanorenana.
Raha misy mpiady manasingana fifanoherana aminâny LalĂ mpanorenana eo anatrehanâny Fitsarana, dia mampihantona ny fizotry ny raharaha io fitsarana io ary mampakatra ny raharaha eo aminâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana ao anatinâny iray volana.
Torakâizany raha misy mpiady milaza eo anatrehanâny fitsarana fa misy fepetra ao aminâny rijan-tenin-dalĂ na na fitsipika manohintohina ny zo fototra ananany
ekenâny LalĂ mpanorenana dia mampiato ny fizotry ny raharaha io fitsarana io araka ny fepetra voalazanâny andalana etsy aloha.
Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka aminâny LalĂ mpanorenana dia mitsahatra tsy manan-kery avy hatrany.
Avoaka aminâny Gazetim-panjakana ny fanapahana noraisinâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana./.
Raha ny tena marina izany dia tsy fitoriana no nataon-dry Mamitiana FabergĂ© Gabriel sy ny tariny fa fangatahana raha mifanaraka aminâny Lalampanorenena -na tsia- ny nanekenâny Antenimierampirenena ilay lalĂ na laharana 2020-012 mahakasika : ny fifidianana sy ny fitsapahan-kevimbahoaka (famadiana ho lalĂ na manankery ny ord. 2019-002 taminâny 15 Mey 2019) ; ny «code minier» na fitsipika mombanâny harena an-kibon-tany (famadiana ho lalĂ na manankery ny ord. 2019-009 taminâny 22 Jolay 2019) ary, indrindra indrindra, mombanâny fampandehananâny Antenimieran-doholona sy ny fifidianana ary fanendrena ireo Loholona (famadiana ho lalĂ na manankery ny ord. 2019-006 taminâny 28 Mey 2019). Mila vanona tokoa ireo Loholona tonga teny aminâny HCC Ambohidahy ireo. Satria nahoana hoy ianareo ?
Matoa nekenâny Antenimierampirenena io lalĂ na laharana 2020-012 io dia satria izao no voasoratra ao aminâny andininy faha-96 ao aminâny Lalampanorenana ihany :
Andaniny 96. Ny volavolan-dalĂ na sy ny tolo-dalĂ na rehetra dia dinihinâny Antenimiera nandray azy voalohany vao ampitaina any aminâny Antenimiera ankilany. Ifandimbiasanâny Antenimiera roa tonta ny ady hevitra mandra-pisianâny fandaniana rijan-teny tokana.
Raha toa ka tsy mety lany ny volavolandalĂ na na tolo-dalĂ na iray rehefa nodinihinâny Antenimiera tsirairay indroa ka misy tsy fifanarahan-kevitra taminâizy roa tonta, na rehefa nodinihinâny Antenimiera tsirairay indray mandeha rehefa nanambara ny fisianâny hamehana ny Governemanta, dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny Praiminisitra hamory vaomiera ikambanana isasahana izay ampiandraiketina fanolorana rijan-teny momba ireo fepetra mbola iadiankevitra.
Ny rijan-teny novolavolanâio vaomiera ikambanana io dia azonâny Governemanta atolotra ny Antenimiera roa tonta mba hankatoavina. Tsy misy fanitsiana azo raisina raha tsy nahazoana ny fanekenâny Governemanta.
Raha toa ka tsy afaka mandany rijan-teny tokana iombonana ny vaomiera na tsy nolaniana araka ireo fepetra voalaza ao aminâny andalana etsy aloha ilay rijan-teny, dia ny Antenimierampirenena, aminâny alĂ lan'ny latsabato iandanianâny antsasamanilanâny mpikambana ao aminy no manapa-kevitra farany./.
Ny 4 Septambra 2020 dia namoaka ny fanapahankevitra («dĂ©cision») laharana 15-HCC/D3 ny HCC izay manambara mazava fa « mifanaraka tsara aminâny Lalampanorenana io LalĂ na 2020-012 io ka afaka avoakanâny Filoham-pirenena ho lalĂ na manan-kery (« promulgation »). Ny dikany koa dia ekenâny HCC ny fampihenana ny isanâny Loholona ho 18 fa tsy 63 toa ny aminâizao fotoana izao.
Ary dia ny 7 Septambra 2020 moa ry Mamitiana FabergĂ© Gabriel sy ny tariny no nigadona tao aminâny HCC ao Ambohidahy « nanatitra taratasy mombanâny fitoriana ny tsy fanarahan-dalĂ na taminâny fepetra narahina mahakasika ny « texte Ă valeur lĂ©gislative » araka ny voalaza ao aminâny andininy faha-118 ny Lalampanorenana ». Dia iza ry ireito no tena adala ao anatinâizany rehetra ? Sa mety izaho mihitsy anie izany no tsy ampy solaitra ? Fa izao no torohevitro : mba vakio ny Lalampanorenana aminâny teny malagasy. Aminâizay sady tsy mamita-tena no tsy mamita-bahoaka e ! Misaotra mialoha.
Fa tokony manomana ny gĂŽdasy dieny izao ny ekipanâingahy Mamitiana FabergĂ© Gabriel satria taorianâny Filankevitry ny Governemanta taminâny 9 Septambra 2020 dia tapaka ny hevitra fa ny Alarobia 11 Desambra 2020 no hotontosaina manerana ny fifidianana Loholona.
Farany dia farany ary tsy maintsy lazaina eto satria vao mainka mampibaribary fa tsy ampy solaitra mihitsy ry zalahy ireto. Io 7 Septambra 2020 io dia nilaza ry zalahy fa : « (âŠ) Tsy mifanaraka aminâny fitsinjaram-pahefana tena izy eny anivonâny faritra ny momba ny fifidianana ny loholona sy ny fomba nitsinjarana ny isany ».
Asa marina ny ao an-dohan-dry zalahy fa izao no misy any Etazonia : 100 ihany no mpikambana ao aminâny Antenimierandoholona amerikana. Izany hoe roa isaky ny Firenena («Etats») izay miisa 50. Fidiananâny vahoaka mivantana («suffrage universel») daholo izy rehetra (tsy misy izany mpifidy vaventy izany ny momba azy ireo) ary tsy misy tendrena na dia ny iray aza. Ary raha 26 tapitrisa mahery ny Malagasy aminâizao fotoana izao, dia 328 tapitrisa mahery, Tompoko, ny isanâny Amerikana. Tsy fizarana mofo mamy akory ny fitondrana ny raharaham-pirenena. Aoka izay ny fanabadoana ny vahoaka ary aoka hazava tsara ny resaka !
Jeannot Ramambazafy â Lahatsoratra nivoaka tao aminâny « La Gazette de la Grande Ăźle » ihany koa, ny Sabotsy 13 Septambra 2020