Notanterahina taminâny Alarobia 04 Novambra 2020 ny « vaky tany » na ny « ala saritaka » na ihany koa ilay antsoina hoe « tsatoka angady voalohany » ho anâny fanamboarana CEG Manara-penitra vaovao ao aminâio Kaominina Soamahamanina io. Efitrano vaovao 24 no hatsangana aminâizany hanampy ireo efa misy ankehitriny. Lanonana tsotra no nentina nanamarihina izany fomba izany tany an-toerana ka nanatrika izany ny olo-manankaja maro zanaky ny faritra Itasy.
Sady tsy maharaka ny isanâny mpianatra intsony ny efitrano fianarana eto aminâny CEG Soamahamanina no efa tranainy avokoa. Marihina fa isanâny veliranonâny Filoham-pirenena ny hanatsarana ny lafiny fampianarana eto Madagasikara na aminâny lafiny kalitao na eo aminâny fotodrafitrasa.
Vaky tany !
Manampy ny ankizy hilofo aminâny fianarana ny fananana sekoly manara-penitra sy tsy mena-mitaha aminâny hafa ary manampy ihany koa aminâny fanitsiana ny sary raiki-tapisaka eny anivonâny fiarahamonina toy ny hoe rehefa zanaka tantsaha sy nianatra tany ambanivohitra dia tsy tafita aminâny fianarana. « Azo tsapain-tanana tokoa ankehitriny fa miasa ny fitondram-panjakana satria zava-dehibe ho anâny ankizy sy ny ray aman-dreny aty Soamahamanina izao fanomezanâny filoha Andry Rajoelina fotodrafitrasa manara-penitra tahakâizao », hoy ny lehibenâny faritra Itasy, ny jeneraly Maherizo Andriamananana.
« Fanta-daza manerana anâI Madagasikara sy maneran-tany mihitsy ny kaominina ambanivohitrâI Soamahamanina taminâny fijoroany niady, nanohitra ny Sinoa, tonga nitrandraka volamena tao aminâity kaominina ity taminâny taona 2016. Nampiseho fitiavan-tanindrazana sy firaisan-kina ny zanakâI Soamahamanina taminâizany ary tsy nihemotra taminâny teritery sy fandrahonana ary herisetra isan-karazany. Ho fankasitrahana avy aminâny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vahoakanâI Soamahamanina nijoro taminâizany tolona izany indrindra koa no antonâizao fananganana CEG manara-penitra izao », hoy ny Tale Jeneralinâny Tetikasanâny Filoham-pirenena Augustin Andriamanananoro, izay isanâny niady mafy taminâny fanoherana ireo Sinoa saika hitrandraka volamena ireo.
Ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa kosa dia nanentana indray ny zanakâi Soamahamanina mba hiara-hientana sy hiray hina hatrany mba ho tombotsoanâi Soamahamanina sy faritra manontolo. « Ny afom-pitiavan-tanindrazana izay nandresentsika taminâny tolona nataontsika taminâireo Sinoa ireo dia avadintsika ho hery entina miady indray aminâny fahantrana », hoy izy.
Rehefa vita moa ny fikarakarana sy ny fanadivoana ny manodidina dia ho apetraka tsy ho ela ny vato fototra ho fanamarihana ny fanombohanâny asa fanamboarana izany CEG Manara-penitra vaovao ho anâny fari-piadidiam-pampianarana ao Soamahamanina izany.
Mponina ao Soamahamasina