Mbola tsy fay ihany ity mpitsara voaraoka noho ny vavabe nataony tamin’ny mpitandro filaminana malagasy ny 30 Oktobra 2018, tao Mahamasina, fa namerina indray izy ny 22 Febroary 2021, ka tena ny zanaky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina indray no ho « enjehiny hatrany amin’ny W.C. ». Ity manaraka ity ny fehezantany tena nampiasainy tamin’ny teny frantsay, satria koa moa mialokaloka any Frantsa izy : « On va pas vous laisser comme ça, on va vous traquer jusque dans vos chiottes aussi ! ». « Quelle triste vulgarité, de la part d’une ex-magistrate !», hoy ny Frantsay manan-tsaina nahare izany. Nefa koa anie renim-pianakaviana manan-janaka telo izy, na dia tsy fantatra mazava hoe iza marina no vadiny ! Izay koa angaha no mahatonga azy very saina ka dia tena miditra hatrany ao anatin’ny pataloha terin’ny fankahalana ho lasa henatra ho an’ireo zanany ireo any aoriana any.
Tia tena ity viavy 42 taona ity fa dia ny nenina any afara no handatsa azy. Ka azy ny azy fa misy fotoanany tokoa ny zava-drehetra. Satria manoloana ireo vavabe tena tsy ampiheverana nataony dia namaly azy ny Filoha Andry Rajoelina, ny 20 marsa 2021, tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana Tvm sy Rnm ary koa fahita lavitra sy radio maro tsy miankina. Ary na dia efa tsy misy tranon-kenatra intsony moa ity Faniriratsy Herin’ny maizina ity, dia ho voarakitry ny Tantara izany valin-tenin’ny Filoha malagasy amin’izao fotoana izao satria noraketana ho soratra izay mitoetra mandrakizay. Andao ary.
« (…) Ao anaty Baiboly dia misy ny teny hoe : « aza miady amina adala fandrao adala toa azy ianao » (Ttf : izao no tena voalaza ao amin’ny Ohabolana 26 : 4 – « aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao »). Nefa na izany na tsy izany aza, dia izao no zavatra valiako : ny ratsy fanaon’ny sasany dia aza lazaina ho faotana mahafatin’ny hafa. Ny hafa no mety manao izany, dia ny zanako izany no lazaina fa, raha tsy diso ahy, no lazaina mihitsy hoe mifoka zavatra mahadomelina, mitahiry «cocaïne». Ireny ny zanako, hitanareo ireny, fa tsy izany ny fitaizana ataoko amin’ny zanako.
Izaho hitanareo izao, rehefa misy ireny fanasana ireny dia na ilay champagne iny aza tsy laniko, ilay vera iray ana champagne, tsy laniko. Ny sigara, tsy foako. Dia ahoana ny eritreretanareo ny hoe ny zanako handeha ho tezaina ao anatin’izany fifoana zava-maha domelina izany ? Zaza nirina dia zaza tsara taiza no nirin’ny ray aman-dreny rehetra ary hahitsy ho entina amin’ny là lana izay tokony hizorany.
Ny fehiny : sady tsy mifoka sigara no tsy mpidoroka zava-maha domelina ny zanaky ny Filoham-pirenena ».
Fanontaniana napetrak’i Fitiavana Donia, mpanao gazety avy ao amin’ny Tv Plus Madagascar :
Tsy mifoka zava-maha domelina ny zanaky ny Filoha fa andaniana vola be an-tapitrisany raha ny fanakianan’ny olona sasany indray. Arena Rajoelina no tiako atongavana amin’izay, Monsieur le Président. Nivoaka mihitsy moa… nisy nanao fikaroana mihitsy moa ny zanakao izay mianatra any ivelany. Fiton-jato tapitrisa ariary ny inscription, fisoratana anarana fotsiny ho an’i Arena Rajoelina. Ny Filoha anefa teo niteny hoe : manangana sekoly eto Madagasikara, tsara ny kalitao eto Madagasikara. Nahoana no andanian’ny Filoha volabe tahaka izany ny zanany any ivelany. Izy telo mianadahy, any ivelany avokoa raha tsy disoa ahy. Maninona no tsy eto Madagasikara ny ampianarina ?
Ny Filoha Andry Rajoelina :
« Ny fanontaniako apetrako amin’izay dia hoe : raha tsy Filoha ve izany i Andry Rajoelina, dia tsy afaka hampiana-janaka any ivelany ? Avadiko izany ilay fanontaniana. Raha tsy Filoham-pirenena izany izaho, ny tenako, dia tsy afaka hampianatra ny zanako any amina université manana ny lazany any ivelany ? Tsia ny valiny. Ny zavatra mitranga, satria ny zavatra resahinao izany dia ny mpanohitra ny mivoy izany. Resaka manokana no noteneninao teo dia hamaly koa aho amin’ny fiainana manokana.
Izaho, roapolo taona dia efa nanangana ny orinasako. Dimy ambiny roapolo taona no nijoroan’ny orinasako izay noforoniko ankehitriny. Ny olana eto amintsika dia misy ilay hoe : « jalousie maladive » (Ttf : fialonana zary lasa aretina tanteraka) na efa aretina mihitsy ilay fankahalana. Ary izany zavatra izany no ilaina ovain-tsika eto amin’ny Firenena. Raha nanorina ny orinasaka aho, afaka hitanareo tsara angamba izany ao aminy Tana Waterfront, izay lisy an’ny Shoprite, misy ny hôtel Tamboo, misy ny hôtel Radisson… Izaho irery angamba no Gasy kely, mbola tsy nanao politika, nahavita nividy tany tao mba nanaovana immeuble, immeuble-ny orinasako.
Isan-taona isan-taona aho dia nihezaka nanao trano, nanorina orinasa, ary mba anisany ihany, angamba, anisan’ny tanora malagasy mba modelin’ny tanora malagasy amin’izany « modèle de réussite » izany. Tsy hoe izaho no manefoefo indrindra fa mihezaka ary manana ny ampy. Ary izay noteneninao mampiana-janaka any Andafy, tsara ho fantatrareo fa izaho izao, izahay mivady dia miantoka fampianarana ankizy maromaro any ivelany. Misy manaraka fampianarana -efa nahavita fianarana efa taloha-, misy nahavita fianarana ary fantany fa tsy hanonona anaran’olona aho, tany Canada ; nisy niantoanay nanohy ny fiaranany tany Maroc ; nisy niantoanay fampianarana tany Inde ; nisy niantoanay fampianarana tany Inde… ary hatramin’izao dia mbola mitohy izany. Misy olona be dia be mbola mangataka izany fanampiana izany.
Hoy ny fitenenana hoe : zanaky ny hafa ve ampiana dia ny zanakao ve ?... Izaho tena maniry mihitsy, ary tena mba anisan’ny « fierté » malagasy izany. Ary ity koa tsara ho fantatra : miditra ao amin’ny « université EHL » ianaran’ny zanako io, dia « sur concours ». Malagasy roa ihany no afaka tafiditra tao. Malagasy roa no mianatra ao amin’izany EHL izany (Ttf : hoy Wikipédia, encyclopédie en ligne : «L’École hôtelière de Lausanne est un établissement de management hôtelier en Suisse. L'École est régulièrement classée première parmi les meilleures écoles hôtelières au monde. Elle forme des étudiants qui souhaitent accéder à des carrières managériales dans l’hôtellerie et les professions de l'accueil»). Fa ilay Malagasy iray tsy Filoham-pirenena fa mianatra ao ny zanany. Ka izay no noteneniko hoe ny rarihan-tsika dia ho tafita ny zanaka malagasy, mba afaka mianatra any Andafy. Tsy ny zanaky ny Filoham-pirenena ihany no afaka mianatra any Andafy fa misy olona mitrosa… manao izay hahatafita ny zanany, dia ezaka ataon’ny ray aman-dreny tsirairay avy »./.
Ilaina ny fanakianana indrindra rehefa firenena mandala ny demokrasia. Mbola manohy ihany moa ity Fanirisoa Ernaivo ity, izay nezahan’i Laurent Mairesse nodiovina (« Opinion publique » tamin’ny 9 Marsa 2021 sy « La Gazette de la Grande ile » tamin’ny 13 marsa 2021). Saingy lasa tandra vadikoditra ilay aratsiam-panahy, na dia mpivavaka be tao amin’ny Fjkm Ankadifotsy fony izy mbola tsy very saina. Amin’ny lafiny iray koa anefa misy ohabolana frantsay milaza hoe : « Chassez le naturel, il revient au galop ». Izany hoe toa ny « maquillage » ihany ny toetra ratsy sy ny ambo-po diso toerana. Na dia afenina sy takonana mafy amina karazan-javatra lafo be aza, dia mipoitra tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizina. Fa manantena isika ny fahamarinan’ity fehezan-teny ity : ny tarehy ratsy azo ovana fa ny fanahy ratsy tsy azo ovana na oviana na oviana. Dia hoy ny sasany : andraso eo i Paoly… Mivavaha ho azy raha izany…
Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy