Velaran-tany 310 ha eny amin’ny lemaky Laniera secteur 12, Ambatolampy Tsimahafotsy izay misy mitady haka any ambony latabatra any. Tonga eny an-toerana amin’ny alina mitady hanototra ny tany sy milaza manana taratasy, kanefa ireo olona eny an-toerana dia efa nonina sy nanajary ny tany nandritra ny 40 taona. Araka ny fanazavana nomen’ireo mponina mampiasa ny tany eny an-toerana.
Raha ny tantara dia nanampy ny tantsaha tokoa ny fanjakana tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany, nisy tohan-drano nasiana milina afaka mampiakatra ny rano ho eny amin’ny tany lemaka iva eny Laniera Ivato io mba azo hambolena. Nanomboka teo dia namboly teo avokoa ireo tantsaha avy amin’ny kaominina efa miisa efatra.
Velona fanahy mbola velona anefa ireo tantsaha ankehitriny mahita olona tsy fantatra na vahiny na tompon-tany, fa miafina anaty 4x4 vitres fumées, izay milaza fa azy ny tany, kanefa dia fambolena, fiompiana niveloman’ireo tokantrano 800 no eo amin’io tany io efa an-taonany maro.
Misy sata izay nametraka ireo tantsaha ireo nipetraka tamin’io tany io ny taona 1962, milaza fa tsy maintsy mananjary ny tany ireo mponina, ka rehefa feno 15 taona dia afaka mividy ny tany ireo mponina izay azo aloha tsikelikely. Rehefa nisy fiovam-pitondrana nifanesy teto Madagasikara dia zary tsy notsarovana io fifanarahana tany aloha io, fa dia nolazaina indray fa tsy azo hangatahana ny tany. Ny taona 2014 anefa izay fotoana nilazana fa azo atao ny mangataka ny tanim-panjakana, gaga anefa ireo mponina fa efa misoratra amin’olo-kafa ilay tany 310 ha. Nandritra ny fanamboarana ny lalà m-baovao no nilaza ireo mpanome honitra ny tany fa tsy mahazo tambim-bola amin’ny fangalà na ny tany hanamboarana lalà na ireo mponina, fa efa misoratra amin’ny olo-kafa ny tany.
Ankehitriny dia manahy mafy ireo mponina nanajary ny tany ireo mahakasika ny ho avin’izy ireo amin’ io tany io. Raha ny décret tamin’ny 1962 vita sonia tany Bruxelle anefa dia mamaritra fa manajary aloha ny mponina, mamboly sy mampiasa ny tany. Tapitra ny 15 taona dia azo vidina ny tany ary mbola ampiana tampon-tanety 1 ha hafahana manao fiompiana sy fambolena. Rehefa nojeren’ireo mponina teny amin’ny sampandraharaha ny fananan-tany anefa dia efa misoratra amin’olo-kafa, izay tsy nanajary ny tany, ity tany 310 ha ity. Ny dingana arahina anefa rehefa hangataka tanim-panjakana dia tsy maintsy misy ny peta-drindrina eny amin’ny kaominina mandritra ny iray volana, ary hampahafantarina ny olona izay mipetraka sy mampiasa ny tany ny fizotran’izany. Ny zava-misy anefa tonga dia nisoratra avy hatrany amina olo-kafa ny tany ny taona 2016. Efa nisy fitarainana natao tamin’ny ambaratonga samihafa, eny fa hatramin’ny fisian’ny hetsika ny député 73 aza, kanefa hatramin’izao dia mijanona amin’ilay fomba fiteny hoe «voaray fitarainanareo, fa ho dinihina» ny antson’izy ireo.
Ho an’ny mpitondra dia efa misy ezaka natao ny hametrahana ny lamina mba hialana amin’ny resaka ady tany , izany dia nihainga tamin’ny alalan’ny fitsidihana nataon’ny Filoha ny Répoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Filohan’ny Banky iraisam-pirenena, ny taona 2019, teny amin’ny kaominina Soavina (sary voalohany indrindra amin'ity lahtsoratra ity). Nitatitra ny Filoha tamin’izany fa « ity tetik’asa ity dia tena ilain’ny vahoaka Malagasy, ny antony dia be loatra ny ady tany ary matetika olona rehefa miasa amin’ilay tany dia tsy manana titra, dia misy olona hafa milaza fa tompony titra avy eo. Ity tetikasa ity izany, ny kara-tany rehetra rehetra dia hita amin’ny zana-bolana avokoa, dia hita hoe iza no tompony tany , iza no mangataka io tany io. Misy famatsiam-bola 52 tapitrisa dolara, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hikarakarana sy hanavaozana ny sehatry ny fananan-tany mba tsy hisiana intsony ny ady tany ho an’ny kaominina 500 manerana ny Nosy. Olom-pirenena 250.000 hatrany amin’ny 2.500.000  tokony hahazo titra hatramin'ny 2022. Hafainganina ny fanomezana titra fa tsy kara-tany tsotra fotsiny ».
Ny maha ontsa anefa dia misy olona sasany izay mahita là lana ambany tany, dia nanjary izy ireny indray no nahazo titra, kanefa tsy nifofotra, tsy nively vy akory. Ny vokany dia ilay vahoaka madinika nanajary an-taonany maro indray no voahilika sy tsy nisitraka izany. Izany rehetra izany no mahatonga ny lohatenin’ity lahatsoratra fanadiadiana ity hoe : Tena mila ny Filoha Rajoelina hanapaka –ara-baki-teny- fa voahilika ny tsantsaha namokatra
Andry Rakotonirainy