Natao taminâny teny anglisy ny lohateninâity lahatsoratra ity ho fanomezako voninahitra ho ana tera-tany Malagasy zandriko heritaona, nitondra avo dia avo ny tany niaviany ao anatina taranja azo atao hoe sarotra fa kosa tena ao anatinâny rĂ n-tsika avy aty aminâny faritra atsimonâny Tany. Ny dihy no tiako tenenina. Fa ny anâi Jacky Razafiniaina, na koa Jacky Joachim, dia dihy lasa fanehoana kolontsaina.
Tantara lava be ny anâity Jacky ity satria feno 66 taona katroka izy androany 16 aogositra 2021. Fa raha fintinina dia nofy lasa zava-nisy mbola misy hatrany ny azy : « dream come true, rĂȘve devenu rĂ©alité ».
Teto Madagasikara dia nanomboka nianatra ny atao hoe « danse classique » ny namana Jacky, taminâny 1977. Izany hoe 22 taona izy taminâizany. Tao aminâny Carmina Brokmann izy no niaratra. Ity mpampianatra ity dia namolavola mpandihy toa an-dry Anna Radilofe sy Sylvie Rakotomalala. Io ny gazety «Madagascar Matin» ambony io, vavolombelonâizany.
Rehefa nahefano efa-taona taoaminâi Karmina Brokmann i Jacky (1077-1981) avy hatrany dia nandray anjara taminâny finaninana « Danse de rock » izy ny taona 1982, rehefa avy namorona ny tarika hoe « Jacky & His Dancers » na « Jacky & ses danseurs ». Izany hoe: Jacky sy Ny Mpandihiny. Ary dia nobatainy soa aman-tsara ny amboara « Champion de Madagascar de Rock 1982 », niaraka taminâi Lucette izay lasa ho vadiny taty aoriana. Tantara hafa...
Raha hiverenana kely ny tarika « Jacky & ses danseurs » dia izao no tanjona : hatsaraina ny dihy gasy mifanaraka aminâny feon-kira misy (« modernisation du dihy gasy »). Nahomby satria hafa mihitsy ny fomba fandihizanâi Jacky.
Ny taona 1985 i Jacky dia niondrana any Frantsa hitsapa ny alalinâny rano ka rehefa nahita irika dia niverina teto Madagasikara lehilahy, nampiaka-bady anâi Lucette ary nilofo niatra karazan-dihy «Danses de salon» (1989-1992) sy «Line Dance Country (1994). Tsy misy hidiranâny vintana ireo taranja ireo fa tena miankina aminâny fianarana sy fanazaran-tena enjana mira « formation militaire » tokoa⊠Ary dia nody ventiny ny rano natsakaina.
Raha efa maro no mahafantatra ny « danses de salon », mbola vitsy no mahalala ny hoe « Line Dance » na « danse en ligne ». Izy io dia dihy ataonâolona maro milahatra ka mampitovy ny fihetsika manaraka izay feon-kira re. Hoy wikipĂ©dia : « La catĂ©gorie des danses en ligne comprend toutes les danses de groupes pratiquĂ©es individuellement, soit l'un derriĂšre l'autre, soit cĂŽte Ă cĂŽte, soit encore en deux lignes se faisant face. On trouve des danses en lignes tant parmi les danses traditionnelles que parmi les danses de sociĂ©tĂ© ou les danses rock ».
Mbola zaza vao (« Newcomers ») izy roa no niditra finaninana ny taona 1997, ka tsy nisy nahafantatra. Fa roa taona taty aoriana monja, izany hoe ny taona 1999, dia nobatainâizy roa ny amboara ka lasa « Champion de France niveau Novice Line Dance Country ». Ary dia tsy nitsahatra nisongadina na izy mivady na i Jacky irery any ka fanta-daza maneran-tany. Isika eto Madagasikara moa variana amina zavatra tsy dia mampivoatra, mahagagaâŠ
Ho anâizay mahatadidy, dia tao aminâny cinĂ©ma « Palace » taloha, tetsy aminâny arabenâny Fahaleovantena Analakely, no nampianatra « Line Dance » i Jacky ary ny taona 2001 izy no nahazo fahazoan-dalĂ na nampianatraizany taranja izany avy aminâny NTA na « National Teacher Line Dance Association ».
Tsy ho be resaka aho fa ireto avy ny zava-bitanâi Jacky Joachim Teo anelanelanâny taona 2002 sy 2008Â :
2002 : « Champion d'Europe niveau Intermédiaire » tany Suisse
2005 : « Champion d'Europe niveau Avancé » tany Pays-Bas
2008 : « Champion du monde 2008 » tany Nasville Etazonia
Tanteraka tokoa ny nofinâilay bandy kely tsy nisy niraharaha loatra taminâny fotoanâandrony. Ny tena fehiny ? 66 taona izao i Jacky Razafiniaina. Tsy niova mihitsy ny lehilahy.
Ka hoy aho ho azy : Happy Birthday, World Champion Dancer ! Ary ampiako ho anareo mpamaky ny hoe : « si la musique adoucit les mĆurs, la danse, elle, donne une Ă©ternelle jeunesse ». Mba adikao kosa e !
Ho ela velona ianao zandry ary aza miditra ao aminâny sehatra politika politisianina mihitsy fa mampitapy io !...
Jeannot Ramambazafy