]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une United Kingdom. Niamboho ny Mpanjakavavy Elizabeth II. Ny momban’ny “Operation London Bridge”

United Kingdom. Niamboho ny Mpanjakavavy Elizabeth II. Ny momban’ny “Operation London Bridge”

London, 8 Septambra 2022. « Nodimandry teo amin'ny faha-96 taonany ny Mpanjakavavy Elizabeth II, mpanjakan'ny Royaume-Uni (United KIngdom) ary Lehiben'ny Commonwealth », hoy ny nambaran'ny ao amin’ny Lapan'i Buckingham.


« Nandao antsika am-pilaminana tao Balmoral androany tolakandro ny Mpanjakavavy », hoy ilay fanambarana.

Avy hatrany dia nilomay nanatona azy ny fianakaviany akaiky, anisan'izany ireo zanany lahy sy ny handimby azy mivantana, dia zanany lahy, ny Printsy Charles izany, izay nanao fanambarana fotoana fohy taorian'ny nivoahan'ny vaovao momba ny fahafatesan'ny reniny.


« Ny fahafatesan'ny reniko malala, “Her Majesty The Queen”, dia fotoana iray tena mampalahelo ahy sy ny fianakaviako rehetra. Misaona lalina izahay noho ny fahalasanan'ny Mpitondra hajaina sy Reny tena tiana. Fantatro fa hitondra alahelo lalina maneran’ireo firenena ao amin’ny Royaume-Uni sy ny Commonwealth, ary koa ho an’ny olona tsy tambo isaina manerana izao tontolo izao ny famoizana azy ». Manomboka izao dia Mpanjaka Charles Fahatelo no fiantsoan’ny vadin’i Lady Diana teo aloha... 74 taona ny lehilahy izao mandimby an’ny reniny izao...


Ny talata 6 septambra 2022 teo, ny Mpanjakavy Elizabeth II dia nandray an’i Ramatoa Liz Truss, izay Praiminisitra vehivavy fahatelo teo amin'ny tantaran'ny britanika,taorian’i Margaret Thatcher sy Theresa May. Natao tao amin'ny tranony ao Balmoral, any Ecosse ny famindram-pahefana teo amin'i Boris Johnson, Praiminisitra nametra-pialana, sy ny mpitarika vaovaon'ny Antoko Conservateur, nandimby azy.


Raha hiverenana tsosotra ny Tantarany dia ny 6 Febroary 1952 teo amin’ny faha-25 taonany ny ¨Prinsesy Elizabeth no nandray ny seza fiandrianana anglisy rehefa niamboho ny Mpanjaka George VI (Albert Frederick Arthur George, 14 desambra 1895-6 febroary 1952) rainy. Roavavy ihany ny zanaky ny Mpanjaka George VI sy Elizabeth Bowes-Lyon (4 aogositra 1900-30 mars 2002), dia Elizabeth sy Margaret. Ny voalohany moa no zokiny dia izy, Elizabeth Alexandra Mary, izany no nandimby ny Mpanjaka rainy ary nitondra ny anarana hoe Mpanjakavavy Elizabeth faharoa. Ny nametrahana ny Satrom-bonihiny na “couronnement”, ny 3 jona 1953, no lanonana voalohany toa izany niseho tamin’ny fahilavitra teto an-tany.


Efatra ny zanany sy ny vadiny, Philip Mountbatten, duc d’Edimbourg, izay nodimandry ny 9 avrily 2021 à Windsor, teo amin’ny faha-99 taonany. Efatra ny zakan’izy roa dia Charles, Anne, Edward ary Andrew. Valo kosa ny zafikeliny: Peter, William, Harry, Zara, James,Georges, Charlotte sy Louis, ary roambinifolo ny zafiafiny, dia: Savannah Phillips, Isla Phillips, Prince George, Mia Tindall, Princesse Charlotte, Prince Louis, Lena Tindall, Archie Mountbatten-Windsor, August Brooksbank, Lucas Tindall, Lilibet Mountbatten-Windsor, Sienna Mapelli Mozzi.

Inona no atao hoe “Operation London Bridge”?


Taorian'ny vaovao momba ny Mpanjakavavy Elizabeth II izay niamboho teo amin’ny faha-96 taonany tamin'ny 8 septambra 2022, ny fianakavian'ny mpanjaka dia manana drafitra manokana napetraka nanomboka tamin'ny taona 1960.

Mitondra ny anarana (“codename”) hoe “Operation London Bridge” ilay drafitra ary mitanisa izay hitranga rehetra any Royaume-Uni aorian'ny fahalasan’ny Mpanjaka.


Ankehitriny ary, rehefa navoaka ampahibemasoara-pomba ofisialy ny vaovao momba ny nahalasany, dia milaza ny drafitra fa hiditra ao anatin'ny vanim-potoana fisaonana ny Royaume-Uni iray manontolo ary afaka 10 andro aorian’ny daty nahalasany no ho tontosaina ny fandevana ka hisy ny fotoam-pivavahana ao amin'ny Westminster Abbey, alohan'ny hamindrana azy any amin'ny toeram-pialan-tsasatra farany ao amin'ny Chapel Memorial King George VI ao Windsor Castle. Fa mialohan’izany dia afaka hojeren’ny olon-drehetra ao London ny nofo mangatsiakany, mandritran’ny efatra andro.


Vao nahare ara-pomba ofisialy fa niamboho ny Mpanjakavavy Elizabeth II, dia izao ny dikan-tenin’ilay nosoratan’ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, ao amin’ny kaontiny Twitter :

Nandritra ny 70 taona mahery nanjakany, ny Mpanjakavavy Elizabeth II dia nanome aingam-panahy ho an'ny taranaka maro, ao amin'ny fireneny sy manerana izao tontolo izao. Manolotra ny fiaraha-miory amin’ny vahoaka Britanika ny tenako, ary indrindra indrindra amin'ny Fianakavian’ny Mpanjakavavy ”.


Raha izaho manokana aloha dia mbola tsy teraka aho no efa izy no Mpanjakan'ny United Kingdom. Rehefa miteny hoe "La Reine" dia tsy misy mpanjakavavy afa raha tsy izy ihany no ao-antsaina. Ny teniny tena tadidiko ary nezahiko nampiarina dia ireto :

1. Tamin'izy nandray ny toerana maha-Mpanjakavavy azy :

Whether my life is long or short, I will serve you until my last breath : Na ho lavana ho fohy ny fiainako eto an-tany dia hanompo anao aho [ry Firenenko] mandrapaha tapitry ny fofon'aiko. 70 taona no naha Mpanjaka an'i Elizabeth II. No comment...

2. Mikasika ny raharaha politikan'ny United Kingdom :

The Queen reigns but does not rule : Manjaka ny Mpanjakavavy fa tsy mandidy sy manapaka. Izany hoe tsy miditra amin'ny raharaha politikan'ny United Kingdom izy fa mipetraka amin'ny maha ray aman-dreny mpiahy azy ka sady mahare no maheno fa tsy mitsabaka ao amin'izay ataon'ny governemanta izy.

3. Mikasika ny fomba ankapobeny :

Never explain, never complain (An'i Wallis Simpson, vadin'i Mpanjaka Edouard III): Tsy ilaina ny fanazavana ary tsy ilaina ihany koa ny fitarainana. Izany hoe zavatra tokony ataonao dia tontosao hatramin'ny farany fa aza variana miresaka sy mitady fialana-bala foana.

Mandria am-piadanana, Tompokovavy Hajaina.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Vendredi, 09 Septembre 2022 16:08 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...