]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Madagasikara MAPAR/GPS: Ny Marina tsy mba maty -SARY 2-

Madagasikara MAPAR/GPS: Ny Marina tsy mba maty -SARY 2-

Sary nalaina tao aminy hotely Carlton Anosy, ny 21 Febroary 2014, tamin’ny valan-dresaka nataon’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andriamatoa Andry Rajoelina. Andiany faharoa sy farany.


Avelao hirediredy daholo ireo tsy mahala ny Tantaram-pirenena; avelao hanoranora-poana ireo tsy afaka miaina raha tsy miankina aman’olona; avelao hanitsakitsaka ny maha-olona ny vahoaka Malagasy ireo mpanao politika mitady hamerina ny didy kofehy lehibe ka hitady hanitsaka ny Lalampanorenena tsy mba noharina tamin’ireo teo aloha. Avelao hamorona izay saim-pantany ireo olona tsy misy fakany sy fotony fa ny androany ihany no fantatra.

Eny avelao ho any satria adinony fa rehefa any ambany rangolahy izy ireo dia tsy hentiny any akory ny adalany misambotra rivotra, fa hipetraka ho lova ho an’ny taranany. Fa ny marina kosa tsy mety ho faty mandrak’izay fa hitoetra eo am-pon’ireo olona
 marina. Ary misy antony sy dikany matoa voafidy daholo ireo Solombavambahoaka ireo, na inona tenenina, na inona lazaina. Izay ny antony nosafidiako io hiran’ny tarika Mahahelo io ka am-bava mihinana am-po mieritreritra, Tompokolahy sy Tompkovavy isany.

Jeannot Ramambazafy – 22 Febroary 2014

Sary: Harilala Randrianarison sy Haja Randria

 

MARINA

Azera ianao tafatsangana
Kapohina tsy mety mangana
Tapenam-bava, re manako feo
Takonana ianao mbola miseho

Kapaina ianao vao may mamoa
Ataovy lavi-masoandro, tsy mety lo
Alevina manjary manangatra
Mampitsangam-bolo ireo niangatra

Ianao ilay marina, tsy azo lotoina
Saro-takarina, tsy maty vonoina
Ianao raha miseho lasa poizina
Mitranga amin’ny ora tsy am-poizina

Handrahona ireo manompo ny tsy rariny
Mampihonjona ny rindrindra namboariny
Potehina tsy miparitaka
Finganina tsy voafitaka

Enjehina vao maika manantona
Avela anefa loza mihantona
Kobonina ianao te-hipoaka
Gadraina ianao fa tafavoaka

Akifika mbola mifikitra
Arendrika tsy mety difitra
Ianao ilay marina, tsy azo disoina
Saro-takarina tsy mety vonoina

Atao eny aloha, vay an-kandrina
Avela any aoriana, mampitandrina
Hoe ny lainga azo amboarina

Ny marina tsy azo itarina



Fafah sy Dadah (Tarika MAHALEO)


Mis Ă  jour ( Dimanche, 23 FĂ©vrier 2014 05:20 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...