]
Les quotidiens du 20 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Madagasikara MAPAR/GPS: Ny Marina tsy mba maty -SARY 1-

Madagasikara MAPAR/GPS: Ny Marina tsy mba maty -SARY 1-

Sary nalaina tao aminy hotely Carlton Anosy, ny 21 Febroary 2014, tamin’ny valan-dresaka nataon’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andriamatoa Andry Rajoelina. Andiany voalohany.


Avelao hirediredy daholo ireo tsy mahala ny Tantaram-pirenena; avelao hanoranora-poana ireo tsy afaka miaina raha tsy miankina aman’olona; avelao hanitsakitsaka ny maha-olona ny vahoaka Malagasy ireo mpanao politika mitady hamerina ny didy kofehy lehibe ka hitady hanitsaka ny Lalampanorenena tsy mba noharina tamin’ireo teo aloha. Avelao hamorona izay saim-pantany ireo olona tsy misy fakany sy fotony fa ny androany ihany no fantatra.

Eny avelao ho any satria adinony fa rehefa any ambany rangolahy izy ireo dia tsy hentiny any akory ny adalany misambotra rivotra, fa hipetraka ho lova ho an’ny taranany. Fa ny marina kosa tsy mety ho faty mandrak’izay fa hitoetra eo am-pon’ireo olona… marina. Ary misy antony sy dikany matoa voafidy daholo ireo Solombavambahoaka ireo, na inona tenenina, na inona lazaina. Izay ny antony nosafidiako io hiran’ny tarika Mahahelo io ka am-bava mihinana am-po mieritreritra, Tompokolahy sy Tompkovavy isany.

Jeannot Ramambazafy – 22 Febroary 2014

Sary: Harilala Randrianarison sy Haja Randria

 

MARINA

Azera ianao tafatsangana
Kapohina tsy mety mangana
Tapenam-bava, re manako feo
Takonana ianao mbola miseho

Kapaina ianao vao may mamoa
Ataovy lavi-masoandro, tsy mety lo
Alevina manjary manangatra
Mampitsangam-bolo ireo niangatra

Ianao ilay marina, tsy azo lotoina
Saro-takarina, tsy maty vonoina
Ianao raha miseho lasa poizina
Mitranga amin’ny ora tsy am-poizina

Handrahona ireo manompo ny tsy rariny
Mampihonjona ny rindrindra namboariny
Potehina tsy miparitaka
Finganina tsy voafitaka

Enjehina vao maika manantona
Avela anefa loza mihantona
Kobonina ianao te-hipoaka
Gadraina ianao fa tafavoaka

Akifika mbola mifikitra
Arendrika tsy mety difitra
Ianao ilay marina, tsy azo disoina
Saro-takarina tsy mety vonoina

Atao eny aloha, vay an-kandrina
Avela any aoriana, mampitandrina
Hoe ny lainga azo amboarina

Ny marina tsy azo itarina



Fafah sy Dadah (Tarika MAHALEO)

 

Mis Ă  jour ( Dimanche, 23 FĂ©vrier 2014 05:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul