Na dia tsy afa-nanatrika aza ny tena no ny fahasalamana tsy milamina kely, dia tsy adino akory ny nanome voninahitra an'ity olom-pirenena malagasy feno ity, sy nametraka fahatsiarovana tsy voakosoky ny taona handalo ho an'ny fianakaviany sy ny taranany iray manontolo, amin'ny alĂ lan'ireto sary miisa zato manaraka ireto. Adidy ho an'ny velona ny manaja ny ray aman-dreny hatraminy amin'ny farany. Inona tokoa moa izany farany izany? Ny ety an-tany fandalovana ety no resahiko. Mino isika fa iray andro dia hihaona amin'ireo izay nialoha an-tsika any amin'ny tsy taka-maso any. Izay ny fanantenan'ny Kristianina. Raha tsy misy tokoa moa izany fanantenana izany dia inona no atao eto an-tany? Fa raha mbola velon'aina isika mianakavy dia misy zavatra lehibe noho io fanantenana io. Dia ny fitiavana izany. Ka dia mifankatiava dieny mbola velona fa rehefa maty tsy miverina intsony. Ary io fahafatesana io tsy azo sandaina na vidiam-bola fa tsy maintsy hitranga, iray andro, eo amin'ny zanakolombelona. Koa asakasak'ireo mpisompatra ny fiainan'ny Malagasy iray manontolo satria dia na Andriamanitra aza tsy atahoran-dry zareo intsony...
MandriĂ am-piadanana, Ramatoa Edwige. Faly aho nanomezan'Andriamanitra ftoana nahafantarana anareo mivady sy nifampiresahiko taminareo teny Mandrosoa Ivato fony i Rado mbola nifoaka "Gauloises"... Vita izay ny asanao tety k'efa lavitry ny tebiteby isan'andro mahazo an'ny mpiray tanindrazanao ianao izao. Dia veloma mandrapihaona any amin'i Rado any.
Jeannot Ramambazafy - Sary: Haja Randria - 24 Febroary 2016