]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Anosibe. Tanora malagasy any ampita, nanampy tanora malagasy eto an-toerana

Anosibe. Tanora malagasy any ampita, nanampy tanora malagasy eto an-toerana

Ny soa atao ilevenam-bola. Ary rehefa manao izany soa izany, tsy asiana dokam-barotra sy sehoseho fa avy hatrany dia tontosaina.

VIDEO1 - VIDEO2 - VIDEO3

Misy ary tanora malagasy mandranto fianarana any ampitan-dranomasina any nitady hevitra hanampiana ireo mpianatra ao amin’ny faritra nipetrahany fony izy mbola teto Madagasikara. Ary dia niasa mangina izy tany Andafy tany nanangona boky. Tsy ary vaovao daholo ireo boky ireo. Ary marina fa amin’ny teny vahiny. Ny sary anefa manambara zavatra maro. Ary boky fianarana sy fialàna voly izy rehetra.


Ny tanjony mantsy dia mba hiverenen’ireo zanaka malagasy mamaky boky mian-dàlana. Tsy ho mora izany fa mila fahazarana. Ny 17 Marsa 2016 ary dia tonga ny fotoana lehibe nizarana ny ampahany ireo boky avy any am-pita ireo. Ka ny sekoly Md Augustin ao Anosibe, eo ampitan'ny tsena no misy azy, ao anatin'ny faritry ny fiangonana Md Jérôme ao Anosibe Antananarivo ihany.


Nandefasako mail moa io tanora io nampilaza fa tontosa amim-pomba tsotra dia tsotra ny fizarana ireo boky, ka izao ny valiny :

« Ny hafalian'reo mpianatra sy mpampianatra mahazo reo boky dia efa mitondra hafaliana be ho ahy ihany koa aty. Na dia tsy nianatra tao aza aho dia teo ny fanabeazan'ny ray aman-dreny, teo ny teny filamatra nitaizana anay tao amin'ny Masina Misely Amparibe hoe « Miorim-paka hanasoa olona » ka na aty aza dia mahatsiaro mandrakariva ny any ary mamita ny adidy ».


Anjaranay eto aminy madagate.org kosa ny manome fahatsiarovana ho an’ny Tantara e! Ny anaran’ilay tanora nahatsiaro ary mahatsiaro ireo mpiray tanindrazana aminy? Andrianjafiarimanana Rindra, mbola nanampy hoe: « Tsy voatery eo amin’ny fitondrana, ary tsy voatery manao politika vao afaka manampy ny Malagasy toa ahy, ary harena sarobidy ny fiaranana », hoy izy. Tsapany koa fa efa nanjavona efa ela izany hoe "bibliothèque scolaire" izany eto Madagasikara. Isaorana manokana ihany koa ny fikambanana « Livres Sans Frontières », nanamora ny fandefasana ireo boky saro-bidy eo amin’ny lafin’ny haren-tsaina.

Ireo ary ny sary tamin’iny 17 Marsa 2016 tao Anosibe. Ny vidéos dia hanaraka eo ihany. Fa deraina ity tanora ity. Maro ny zanaka malagasy mandrato fianarana any ampita. Fa maro ireo manadino, na ny tenin-drazany aza…

Jeannot Ramambazafy – Harilala Randrianarison – Haja Randria

Anosibe, 17 Marsa 2016

Mis à jour ( Dimanche, 20 Mars 2016 09:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...